Archive du 11/04/2012
11/04/2012
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny filazan’i Andry Rajoelina fa hahazo fiaramanidina Airbus A340-300 roa i Madagasikara ato ho ato ary dia hireharehana izany satria hoe sambany teo amin’ny tantaran’ny kaompania Air Madagascar izany
11/04/2012
11/04/2012
CST 49 tamin’ireo 91 tonga namonjy fivoriana tetsy Anosikely omaly, tsy nahitana ankolafy Ravalomanana, no nandany ilay volavolan-dalàna lah.008/2012 tamin’ny 27 martsa 2012 mikasika ny Fitsipi-pitondran-tena sy fahaiza-miaina ara-politika raha 2 no tsy nilaza ny heviny.
11/04/2012
Tsy vitan’ny latsaka an-katerena intsony fa tena efa miala aina ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana, araka ny fahitan’ny hery afovoany na ny Force Médiane Mixte azy.
11/04/2012
Nanisy teny mikasika ny fandrafetana ny tetiandrom-pifidianana ny mpikambana ao amin’ny Hery Politika Mitambatra na ny HPM.
11/04/2012
Banga efa efa-bolana mahery izao ny toeran’ny Ben’ny tanànan’Antsirabe I, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, taorian’ny nanendrena ny tompon-toerana, Olga Ramalason, ho minisitry ny varotra ao anatin’ny governemantan’ny marimaritra iraisana tarihin’ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer.
11/04/2012
11/04/2012
Vahinin'ny Tia Tanindrazana amin'ity anio ity ny Maitre Hery Rakotomanana filohan'ny CENI na vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana teo aloha. Horesahana ato ny momba ny fahaleovantenan'ny CENI, izay niteraka resabe tokoa. Ao koa ireo olana nosedraina nandritra ny roa taona. Milaza ny fomba fahitany ny CENIT ihany koa ny Me Hery Rakotomanana ary nanambara ny heviny ny amin' ny mety ho tohin'ny fiainam-pirenena amin'ny ankapobeny. Araho ary ny tafa sy dinika.
11/04/2012
Efa tena leon'ireo mpitondra FAT tarihan'i Andry Rajoelina ny olona ary maneho izany amin'ny fomba tena mivantana.
11/04/2012
Niseho lany ary nivatravatra tokoa i Yves Aimé Rakotoarison sy Vyvato Rakotovao, izay samy nisintaka tamin’ny TIM mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana, omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely tao anatin’ny fivoriana nitambarambe natao tao, amin’ny fanohanana tsy misy fepetra an-dRajoelina ho tsy mpanongam-panjakana.
11/04/2012
Nitondra fanazavana ny antony tsy nahafahany nanatanteraka fampisehoana tamin’ny toerana roa samihafa teto an-drenivohitra, dia teny amin’ny kianja Don Bosco Ivato sy teny amin’ny kianja Betongolo, ny alatsinain’ny paska 2012 teo i Black Nadia.
11/04/2012
«Vehivavy tsy maha lehilahy», hoy ny hira malazan’ny faritr’i MAVAM izay.
11/04/2012
Mampanahy be ihany ny mety ho tohin'ny raharaham-pirenena satria miha mipoitra isan'andro ny tsy fifankahazoana eo amin'ny samy mpitondra sy eo amin'ny mpiray ankolafy.