Archive du 12/04/2012
12/04/2012
Nanao rodobe teny amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy omaly ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny ankolafy Zafy Albert hanontany ny lehiben’ny mpampanoa lalàna vaovao momba ny fitorian’ny profesora Zafy Albert amin’ny raharaha andramena.
12/04/2012
Henjankenjana ny adihevitra teo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita omaly, manodidina ny volavolan-dalàna momba ny amnistia.
12/04/2012
Nolaniana tety amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita ny «code d’éthique», hoy ny CST Ravalisaona Clément.
12/04/2012
Diso fanantenana tanteraka ny amin'ny zava-misy amin'izao fotoana ny KMD na Komity Miaro ny Demokrasia, tarihan'i Andry Raveloson izay nitolona teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey nanohana an'i Andry Rajoelina tamin'ny 2009.
12/04/2012
Nafana dia nafana ny adihevitra, omaly alarobia, teny amin’ireo Parlemanta roa tonta Anosikely sy Tsimbazaza.
12/04/2012
Tsy hanaiky fa hanaraka hatramin’ny farany izay olona nitondra ireo menaka tsy ara-dalàna tratra teny amin’ny orinasa afaka haba iray mpanjaitra lamba eny Ambohidratrimo ny Ministeran’ny varotra.
12/04/2012
“Tsy andeferako sy henjehiko hatramin’ny farany, ny fangalarana entana eo anivon’ny seranantsambon’i Toamasina”.
12/04/2012
Hotanterahana anio sy rahampitso eny amin'ny CCI Ivato ny fihaonambem-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana.