Archive du 13/04/2012

Misongadina

Ranaivoson Henri Roger “Tsy vonona hiaraka hiasa ny FAT”

13/04/2012

Iray amin’ireo olona akaiky ny filoha Marc Ravalomanana Atoa Ranaivoson Henri Roger. Tsy dia re ny tenany tato ho ato, izy rahateo miasa any ivelany. Nohararaotin’ny Tia Tanindrazana anefa ny nisokela taminy amin’izao fandalovany eto an-tanindrazana izao.

 Hamaky ny tohiny...

Politique

Ankolafy Ravalomanana Tapitra ny fiala-nenina

13/04/2012

Fiala-nenina iny natao iny, hoy ireo mpikambana eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, izay nivoaka ny trano fivoriana teny Tsimbazaza omaly.

Hamaky ny tohiny...

Ako sy feo teny Tsimbazaza

13/04/2012

Tsy anisan’ireo nandany an’ilay volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, ireo CT avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. Ireo mpikambana 51 ankoatra ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita ireo nivoaka ny efitrano fivoriana ireo izay narahan’ny CT hafa avy amin’ny Monima/UAMAD sy vondrona parlemantera hafa satria nahatratra 62 ny fitambaran’ireo nivoaka ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fitondran-dRajoelina Anjakan'ny trafika

13/04/2012

Tsy dia mahagaga firy raha mbola malaina ny ho avy eto amintsika ireo mpampiasa vola vahiny, ary tena mihisatra ny fahatongavan'ny fanampian'ny avy any ivelany, satria tena gaboraraka tanteraka ny eto Madagasikara ary anjakan'ny varomaizina sy ny trafika isan-karazany.

Hamaky ny tohiny...

CT Tinoka Roberto “Nanaja ny maha filohan’ny Kongresy azy i Mamy Rakotoarivelo”

13/04/2012

Hamaky ny tohiny...

Razanamahasoa Christine Niziriziry tamin’ny heviny

13/04/2012

Niziriziry tamin’ny heviny hatramin’ny farany ka fototry ny fivoahan’ny ankolafy Ravalomanana ny efitrano omaly ary tsy nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fifidianana ilay volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka ho any amin’ny fihavanam-pirenena ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine.

Hamaky ny tohiny...

Amnistia Mitifi-tena ny FAT

13/04/2012

Dom-bera tao amin’ny Cafétéria Tsimbazaza no nandraisan’ireo mpiara-dia amin’ny FAT ny fandanian’izy ireo samirery ilay volavolan-dalàna laharana 007/2012 tamin’ny 27 martsa 2012 momba ny famotsoran-keloka ho an’ny fampihavanam-pirenena, natao tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly.

Hamaky ny tohiny...

Printsy Razafitsiandraofa Jean Brunelle Tsy mitsaha-mitontongana ny fiarahamonina Malagasy

13/04/2012

Miteraka fieritreretana lalina ho an’ireo Mpanjaka avy any amin’ny Foko Antanala amin’izao fotoana izao ny fitotongan’ny fiarahamonina Malagasy ka itadiavan’izy ireo vahaolana.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona parlemantera TGV Niezaka nandala ny fihavanana

13/04/2012

Taorian’ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly alakamisy dia nanana ny heviny ireo CT ao amin’ny vondrona parlemantera TGV. Ilay izy moa izany, araka ilay hitantsika teo, dia nandeha ilay fifidianana tsy maintsy misy ny mpandresy ary tsy maintsy misy ny resy ka ny ankolafy Ravalomanana izany rehefa tonga teo amin’ny andininy faha-5 misy ny resaka singa tsy ahazoana famontsoran-keloka dia nangataka nivoaka ry zareo,hoy ny CT Andriamalala Mamy Freddy.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Ady amin’ny kolikoly Manana paikady ny Boriborintany Voalohahy

13/04/2012

Ireo vondrom-bahoakam-paritra, izany hoe ny Faritra sy ny Kaominina ary ny Boriborintany no aharasain’ny Bianco fitarainana noho ny kolikoly be indrindra.

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana amin’ny RN7 Tezitra ny zandary

13/04/2012

Tezitra mafy ny zandarin’Antsirabe manoloana ny fanelezana vaovao tsy marina ataona haino aman-jery eto an-drenivohitra ka namoaka fanambarana manohitra izany ho an’ny mpanao gazetin’Antsirabe.

Hamaky ny tohiny...

Fividianana Airbus Fanesoana ny Malagasy

13/04/2012

Hamaky ny tohiny...

Rabetahiana Parfait Pascal “Hohajaina ny datim-panadinana rehetra”

13/04/2012

Raharaha anisan’ny mitana ny sain’ny maro ny olana miseho lany eo amin’ny sehatry ny fanabeazam-pirenena. Nanamarika izany ny fitokonan’ny SEMPAMA sy ny fandraisana andraikitry ny fanjakana manoloana izany, ny mety fiantraikany amin’ny fanadinam-panjakana. Toy izany koa ny fisian’ny DREN roa amin’ny Faritra sasany sy ny fisian’ny mpitrandraka volamena eo an-tokotanin-tsekoly iray ao Masomeloka Mahanoro. Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio Rabetahiana Parfait Pascal, Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena, mitondra fanazavana.

Hamaky ny tohiny...

Edito

“Force One 3”

13/04/2012

Nilaza ny ho afa-po tamin’ny sidina voalohany natao tamin’ilay fiaramanidina Airbus A340-300 i Andry Nirina Rajoelina sy ireo manampahefana naira-dia taminy, rehefa nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly tamin’ny valo ora maraina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana