Archive du 23/04/2012
23/04/2012
Saro-bahana ny raharaha politika eto Madagasikara. Mbola mikitroka ny lalan-kizorana ho an’ny vahaolana telo taona aty aorian’ny fanonganam-panjakana notarihin-dRajoelina sy ny mpomba azy.
23/04/2012
Nanao ny hetsika fanaony isaky sabotsy eo an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny ankolafy Ravalomanana Toamasina. Sady fampitam-baovao no fanentanana amin’ny hetsika mafimafy kokoa manomboka izao no natao.
23/04/2012
Dia mitohy hatrany ny tsy fanajan'i Andry Rajoelina ny tondrozotra ka hanaporofoany amin'ny rehetra fa mpitari-bato vilam-bava sy tsy manaja ny zavatra nekeny izy.
23/04/2012
Nampidirina an-tsehatra ireo mpanakanto kalaza toa an-dry Jerry Marcoss sy Farah Jones niaraka tamin’ireo mpiangaly kilalaky malaza ao an-tanàna mba hanampy tamin’ny famoriana olona ao Morondava ny sabotsy teo.
23/04/2012
Mavesatra ho an'ny fitondrana tetezamita ary manaratsy endrika azy ny fisian'ireo fitokonana isan-karazany amin'izao fotoana.
23/04/2012
Miarahaba anao ry Jean a ! Tena nanankarem-baovao iny faran'ny herinandro iny an !
23/04/2012
23/04/2012
Voly reniala na «baobab» ! Io no nanamarika ny andro faharoa nijanonan’i Andry Rajoelina, sy ny ankohonany, tao Morondava renivohitry ny Faritra Menabe ny faran’ny herinandro iny, sady niala sasatra.
23/04/2012
23/04/2012
Tonga eto Antananarivo ny solontenan’ireo DREN rehetra manerana ny Nosy, hoy Ramady Albert, mpikambana ao amin’ny sendika SEMPAMA Ihorombe miaraka amin’ireo namany efatra mirahalahy tarihan’ny filohany, Rajoma Louis.
23/04/2012
Minisitra 10 amin'ireo 30 ao anatin'ny governemanta no nandray anjara tamin’ilay fambolen-kazo nokarakarain'ny fiadidiana ny tetezamita ka notanterahana teny Andranovelona - Ankazobe.