Archive du 03/05/2012
03/05/2012
Manoloana ireo antsojay sy fingampingana isan-karazany natao sy atao aminy tato anatin’izay telo taona izay dia nisafidy ny hivoaka tamin’ny fahanginany ny orinasa Tiko, ka nampiantso mpanao gazety teny amin’ny Tiko Tanjombato, omaly alarobia 2 mey.
03/05/2012
Notazomin’ny zandary atao andrimaso “garde à vue” eny amin’ny Toby Betongolo nanomboka halina ireo mpanao gazety mianadahy, Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy, mpanentana ny fandaharana “Anao ny fitenenana” ao amin’ny radio Free-FM 104.2.
03/05/2012
Nahazo famatsiam-bola mitentina 600 tapitrisa Ariary avy amin’ny fanjakana foibe ny tanànan’Antananarivo.
03/05/2012
Niakatra fitsarana ady heloka bevava tsotra omaly ny raharaha FIGN.
03/05/2012
03/05/2012
Raha ny tenin'ny filohan'ny tetezamita omaly no dinihana dia manana telo andro eo sisa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Pr Manoro Régis mba hamahana ny olan'ny mpampianatra sy hampitsaharana ny fitokonan'ny SEMPAMA manerana ny Nosy.
03/05/2012
Mbola averiko, hoy ny namana Evariste Ramanantsoavina mpanao gazety, ny teny nolazaiko tamin’ny herintaona tahaka izao ny amin’ny tsy tokony handisoan’ny mpanao gazety namana am-perinasa sy ireo mpianatra ao amin’ny sehatry ny fifandraisana sy ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny tantara
03/05/2012
Mitohy hatrany ny hetsika Masoandro Maraina. Tamin’ny herinandro lasa teo dia ny faritra Itasy sy Bongolava no notsidihan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona sy ireo mpiara-miasa aminy, ka nandalo sy nanao famelabelaran-kevitra tao Miarinarivo, Soavinandriana, Analavory, Tsiroanomandidy izy ireo.
03/05/2012
Fa tena hamaha olana marina ve ny SADC sa hamboly olana vaovao indray ? Izao dia efa mibitaka èry ny mpomba ny fitondrana fa efa akaiky, hono, ny fankatoavana.
03/05/2012
Mivoatra isan’andro ny raharaha momba ny fiatoan’ny fampianarana. Nihafaingana ny fitaran’ny fitokonana ataon’ny mpampianatra hatramin’ny nidiran’ny mpanabe avy eto an-drenivohitra an-tsehatra nanampy isa ireo namany avy amin’ny SEMPAMA manerana ny Nosy.
03/05/2012
Andro iraisam-pirenena amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny anio 3 mey, ary mankalaza izany tahaka ny firenena maro isika eto Madagasikara.