Archive du 22/05/2012

Misongadina

Hopitaly Hikatona avokoa ny talatan’ny pantekôty …

22/05/2012

Any am-pelantanan’ny minisitry ny teti-bola, Hery Rajaonarimampianina, ny baolina momba ny fitakian’ireo mpiasan’ny fahasalamana isan-tsokajiny.

 Hamaky ny tohiny...

Politique

Toamasina Mbola mikatona ireo sekolim-panjakana

22/05/2012

«Tsy hisy fampianarana handeha eto raha tsy mivaly ny fangatahanay amin’ny fanjakana. Nefa efa nanao ezaka ny governemanta ka andrasanay ny fahazoana izany amin’ity volana ity vao hisy ny fanapahana vaovao ho raisina ho firosoan’ny fampianarana indray».

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana sy Fidèle Manitsoka an’i Andry Rajoelina

22/05/2012

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo tao amin’ny onjam-peon’ny Free FM omaly, dia tsy maintsy miafina aloha i Fidèle Razara Pierre sy Lalatiana Rakotondrazafy satria tsy maintsy mitandrina ihany mba tsy hahafaty momoka ny tolona.

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Mikoropaka ny fitondrana

22/05/2012

Mihazakazaka ny fivoaran’ny raharaham-pirenena taorian’ny zava-nitranga teto Antananarivo ny sabotsy 19 mey teo. Sesilany indray ny fanambarana avy amin’ny mpitondra.

Hamaky ny tohiny...

Monja Roindefo “Jadona no manjaka eto”

22/05/2012

Ho an’i Monja Roindefo dia ny fitantanana tsy mazava ny raharaham-panjakana sy ny fananam-bahoaka no mitarika ireo hetsika ara-tsosialy tarihan’ireo sendika isanisany amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

VAhoaka MIray Hitsena an’i Dada amin’ny heriny manontolo

22/05/2012

Tsy nanaiky ny vahoaka omaly raha tsy nampidirina tao amin’ny kianjan’i Magro ny mpitarika ny VAhoaka Miray na dia niezaka mafy nanakana azy ireo tsy hiditra aza ireo mpiandraikitra ny filaminana teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Zanak’i Dada Mailo amin’ny fihetsik’i Andry Rajoelina

22/05/2012

Mitohy tsy tapaka ny hetsiky ny zanak’i Dada ary vao maika aza miakatra ny marimpana politika ao amin’ny Magro Behoririka taorian’ny resaka mandeha an-gazety fa dia misokatra amin’ny fifampidinihina i Andry Rajoelina, tsy olana aminy ny fampiharana ny sori-dalana, ary afaka anaovana fifanarahana politika ny mikasika ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Actualités

Maitre Avoko “Tsy nandefa olona teny Ambohijatovo ny Kung Fu”

22/05/2012

nandefa olona teny Ambohijatovo sy ny manodidina ny kung-fu ny sabotsy 19 mey teo nandritra ilay hetsika nokarakarain’ny Free FM.

Hamaky ny tohiny...

Mpanjaka Rabehava sy ny Foko Rabehava 18 toko Mitaky ny hamoahana ny anaran’ireo namono ny mpitsara Rahevana Michel

22/05/2012

Nivoaka amin’ny fahanginany ny fianakavian’itompokolahy Rehavana Michel, ilay mpitsara novonoin’ny polisy tao Toliara ny 9 desambra 2011 teo.

Hamaky ny tohiny...

SEMPAMA Amoron’i Mania Tsy andairan’ny fandrahonana sy ramatahora

22/05/2012

Manomboka miseho amin’izao fotoana izao ny fandrahonana sy fampihorohoroana mpampianatra ataon’ireo tompon’andraikitra sasany ao Amoron’i Mania.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy mbola tara

22/05/2012

Amin’ity talata ity no milaza fa hitafa amin’ny mpanao gazety ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina, mba hahafahany mitatitra ny anton-diany tany Etazonia sy hanambarany ihany koa ny heviny manodidina ny raharaham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana