Archive du 23/05/2012
23/05/2012
20 minitra teo ho eo ny faharetan’ny fihaonan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, tamin’ny mpanao gazety, omaly tolakandro tao Ambohitsorohitra.
23/05/2012
Aza mety mitady zavatra sarotra sy lalina isika raha misy milaza fa lava loatra ity krizy ity, hoy Raveloson Constant tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly talata, fa izy ihany no nahatonga izao.
23/05/2012
Haneho hevitra ankamanjana ary mitaona ny vahoaka ho eny Ambohijatovo ny Komitin’ny fanavotam-pirenena amin’ity alarobia 23 mey 2012 ity.
23/05/2012
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena indrindra taoarian’ny trangan-javatra niseho tetsy Ambohijatovo tamin’ny sabotsy teo ka mbola nampiasan’ny tafika mikamban’ny Emmo-Reg indray baomba lakrimôzena tamin’ireo olona tonga haneho hevitra am-pilaminana.
23/05/2012
May ny endim-boanjon’ny FAT ankehitriny, hoy i Sazalahy Tsianihy.
23/05/2012
Sarotiny amin’ny fiarovana ireo tomponandraikitra notendrena amin’ny anarany ny vondrona politika Les AS. Niaka-pofona mihitsy omaly i Voninahitsy Jean Eugène manoloana ny fihetsiky ny minisitra sasany ao amin’ny governemanta izay mihevi-tena ho minisitra ambonin’ny minisitra ka manao antsojay ny hafa.
23/05/2012
Taorian’ireo manamboninahitra kolonely mivondrona ao amin’ny «Cordination Nationale des Officiers» dia fantatra izao fa hanao fanambarana ihany koa amin’ity anio ity ireo jeneraly misotro ronono, mitondra ny anarana hoe «Groupe d’Ankerana».
23/05/2012
Nahaton’ny Filankevitra monisipaly eto amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) vonjimaika, ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny maha Kianjan’ny demokrasia ny eo Ambohijatovo.
23/05/2012
Nifampitaona tao amin’ny lapan’ny Faritra Atsinanana, ny biraon’ny Sempama vaovao sy ny lehiben’ny Faritra Atsinanana Mahavimbina Alain, notronin’ireo talen’ny sekolim-panjakana sy ny DREN, Lema Etienne, ary ny lehiben’ny Cisco I, Sambany Frédéric.
23/05/2012
Nirodorodo teny amin’ny foiben-toeran’ny radio MADA sy Fahazavana eny Faravohitra omaly ny andian’olona manao fanamiana mpitandro filaminana, nirongo fiadiana, niaraka tamin’ny fiara 4x4 miisa telo sy fiarabe.
23/05/2012
Mbola mikatso ny fampianarana any amin’iny Ciscon’i Faradofay iny. Mitohy ary mihamafy ny fitokaonaa ataon’ireo mpampianatra mpanabe eo anivon’ny Sempama.
23/05/2012
Vola be tsy toko tsy forohana no votsotra noho ny krizy lavareny eto amintsika. Mahatratra iray tapitrisa dolara izany hoe 2.000 tapitrisa Ariary no vola tokony hiditra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana nefa very fotsiny tao anatin’izany telo taona sy tapany izay.
23/05/2012
Nandrasan’ny maro fatratra ny fanehoan-kevitr’i Andry Rajoelina omaly tolakandro. Isan-karazany mihitsy ny vina sy tombana.