Fil d'actualités du 06/04/2020

  • 06/04/2020 - 13:45 : COVID-19: Olona 10 vaovao no voamarina indray fa voa, manome ny isa ho 82. Ny 3 tamin'ireo voa dia avy any ivelany ary ny 7 no vokatry ny fifampikasohana. Ny 2 amin'ireo any Toliara, 1 any Nosy be, 4 teto Antananarivo (Alasora, Ampitatafika, Ankadifotsy).

  • 06/04/2020 - 10:00 : ANDOHATAPENAKA: Ilaharana ny fanantonana ny toby fiantsoanana eny an-toerana maka ny antontan-taratasy hahafana mandray taksibrosy hodiana.

  • 06/04/2020 - 09:30 : MAHAZO-AMBATOMARO: Leo ny tsy fisian'ny rano ny olona. Efa ho roa taona no tsizarizary ny famatsiana. Tamin'iny herinandro izao tsy nisy mihitsy. Voatery manarama olona izay vidiana 1000Ar ny bidon. 1 tapitrisa mahery ny iray citerne.

  • 06/04/2020 - 09:00 : COVID-19: Miisa 72 ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina coronavirus eto Madagasikara, fa ny 2 kosa no efa sitrana. 32 vehivavy, 40 lehilahy, ka 51 avy any ivelany, ary ny 21 dia vokatry ny fifampikasohana.

  • 05/04/2020 - 23:00 : ANDRY RAJOELINA: Mitohy mandritra ny 15 andro ny fihibohana. Mihantra manerana ny nosy ny tsy fahafaha-mivezivezy amin'ny 8ora alina hatramin'ny 5 ora maraina, ny fivorivoriana samihafa. Miato ny fampiarana rehetra. Voarara ny fifamezivezena na ho an'ny taxi na ho an'ny taksibe eto Antananarivo.

  • 05/04/2020 - 14:00 : COVID-19: Olona iray indray no voamarina fa tratran'ity aretina ity eto Madagasikara. Mpandeha tamin'ny sidina AF934 tonga ny 17 martsa io. Olona 2 kosa no sitrana, ka 69 izany ireo voa amin'izao fotoana izao.

  • 04/04/2020 - 16:30 : FILANKEVITRY NY MINISITRA: Tapaka fa mitohy mandritra ny 15 ny hamehana ara-pahasalamana eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara.

  • 04/04/2020 - 14:00 : ARP HELISOA: Nadoboka am-ponja vonjimaika i Arphine Helisoa, izay ambara fa naniratsira ny filoha sy miantso fankahalana araka ny fitoriana nataon'ny fanjakana.

  • 03/04/2020 - 18:00 : ASA FANAOVAN-GAZETY: Nampanantsoin'ny Sampan-draharaha miandraikitra ny Cybercriminalité i Arphine na Arp Helisoa mpanao gazetin'ny Valosoa noho izy voatonona ho naniratsira ny Filoham-pirenena ka notorian'ny Fitondram-panjakana. Tànana eny amin'ny BC Anosy izy amin'izao fotoana izao.

  • 03/04/2020 - 13:30 : COVID: Niampy olona 6 indray ny voa ka vokatry ny fifampikasohana tamin'ireo efa voa avokoa ireo tranga ireo. 65 izany izao no voamarina fa mitondra ny Covid-19 eto Madagasikara.

Voir plus d'infos...

07/04/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190925

Misongadina

Fitondrana IRD Efa manjaka tokana fa tsy mbola mahavita ihany

25/09/2019

Midangana ny vidim-piainana, saingy tsy manana vahaolana tena mafonja ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampandrosoana eny ifotony Afaka mahaleotena amin`ny alalan`ny hetra

25/09/2019

Araka ny and. 149 ao anatin`ny lalàmpanorenana, “ny kaominina dia mandray anjara amin`ny fampandrosoana ara-toekarena, ara-tsosialy, ara-kolontsaina sy momba ny tontolo iainana eo amin’ ny fari-pifidianam-paritra misy azy.

Hamaky ny tohiny...

Niteny ny CFM Ben’ny tanàna mendrika ho ray amandreny no ilaina

25/09/2019

Manao antso hatrany ny komitin’ny fampihavanana Malagasy na CFM fa fifidianana ifotony tena ahitana taratra ny hoe fanjakana akaikin’ny vahoaka ny fifidianana ben’ny tanàna.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Bokan-trosa 1600 miliara Ar ny Jirama Hakarina tsikelikely ny vidin-jiro…

25/09/2019

Vita ny fanadihadiana lalina nataon’ny Cabinet Castalia Limited hoenti-mamantatra ny tena olan’ny orinasam-panjakana Jirama hahafaha-manarina azy io.

Hamaky ny tohiny...

Vilany vita gasy Voarara ao La Réunion fa mankarary

25/09/2019

Tombanana ho olona 400 isan’andro, maneran-tany no mamoy ny ainy vokatry ny aretina antsoina hoe :

Hamaky ny tohiny...

Pimaso ho an’Antananarivo Tonga ny kamio hanala « fako politika »…

25/09/2019

Hita nampiasaina tamin’ny Tagnamaro andiany faha-7 ny sabotsy teo ny « camions multibennes » lehibe, nampiasaina nitaona fako nandritra io hetsika io ny 21 septambra.

Hamaky ny tohiny...

Fivoriamben’ny Firenena Mikambana Nolazaina fa namono olona 4000 ny zandary Malagasy

25/09/2019

Voaresaky ny ONG anankiray tao anatin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana na ny ONU tanterahina any New York Etazonia ny momba an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fivoriamben’ny ONU any New York Tsy sahy nankany ny filoha Rajoelina ?

25/09/2019

Tanterahina any New York any Etazonia nanomboka omaly 24 septambra ny fivorianambe faha-74 ho an’ny Firenena Mikambana na ny ONU.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra Ligue 1 Analamanga 2020 16 ireo ekipa handray anjara

25/09/2019

Raha novinavinaina ho ekipa 18 ireo handray anjara amin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra « Ligue 1 » Analamanga amin’ny taom-pilalaovana 2020 ity izay hanomboka amin’izao 2019 izao,

Hamaky ny tohiny...

Rugby à XV “GOLD TOP20-2019” Fantatra ireo ekipa iray vondrona

25/09/2019

Tontosa omaly talata 24 septambra 2019 nanoloana ny solontenan’ireo mpandray anjara sy ny mpanao gazety,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Miandry fahagagana

25/09/2019

Hita taratra ny tsy firindran’ny fitantanana ny firenena sy ny fikorontanana ao anaty fanjakana ao.Tsy voahaja ny fisaraham-pahefana, hany ka mifanenjana ny minisitry ny fitsarana sy ny Talen’ny rantsana mpandray fitarainana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Famokarana angovo Mbola lavitra ny lalana

25/09/2019

Tontosa omaly tetsy Ampandrianomby ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piara-miasa teo amin’ny orinasa avy any Afrika Atsimo mamokatra angovo sy ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny Akoranafo.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinana tobim-pamokarana Mbola taraiky i Madagasikara

25/09/2019

Ny 73%-n’ireo tobim-pamokarana herinaratra eto Madagasikara dia mihodina amin'ny alalan'ny solika avokoa. Ny 27% ihany no mbola azo avy amin'ny angovo azo havaozina.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

7 volana tsy nandray karama Raikitra ny fitokonan’ny mpiasan’ny FOFIFA

25/09/2019

Mpiasa hatrany amin’ny 200 eo anivon’ny FOFIFA na ny FOibem-pikarohana momba ny FIkarohana ampiharina amin’ny FAmbolena no nanao fitokonana teny amin’ny anoloan’ny Birao misy io sampan-draharaha io eny Ampandrianomby omaly talata 24 septambra.

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahan’ny Base Toliara Ahiana hivadika ra mandriaka…

25/09/2019

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, ny solontenan’ny mponina sy ny zanaky ny faritra, avy any amin’ny faritra atsimo andrefana, izay mipetraka eto an-drenivohitra,

Hamaky ny tohiny...

Assanati Famo Gidraka “Hanasoa ny mpiarabelona tsy misy tambiny”

25/09/2019

Tsy mitsahatra ny fikambanana Assanati Famo Gidraka amin`ny fanampiana ny mpiarabelona. Hanasoa tsy misy tambiny no tena antom-pijoroany, indrindra fa ny vehivavy sy ireo tena sahirana.

Hamaky ny tohiny...

Faritra Atsinanana Hambolena zanakazo 10 tapitrisa fototra

25/09/2019

Naompana tamin’ny lafiny tontolo iainana ny andiany fahadimy amin’ny hetsika Tagnamaro nandraisan’ireo sehatra maro samy hafa anjara tamin’ny alalan’ny fanomanana zanakazo ka miisa 70.000 fototra no vita tamin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Tranga

Ambanja, Ambilobe, Antsohihy Sahan-drongony ana hektara maro nopotehina

25/09/2019

Mitohy hatrany ny hetsika fiadiana amin'ny Jamala ataon'ny zandarimaria ao anatin'ny distrikan'i Ambanja sy Ambilobe ary Antsohihy.

Hamaky ny tohiny...

Tambajotrana halatra moto Saron’ny polisy tany Toamasina ny atidoha

25/09/2019

Nahazo vahana ny halatra moto tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana tato ho ato. Olona miisa efatra no voasambotry ny polisy miasa ao Toamasina ny 21 septambra teo.

Hamaky ny tohiny...

Ambovombe Androy Zaza tsy ampy taona no atidohan’ny fanafihana

25/09/2019

Zaza tsy ampy taona roa tamin’ireo tompon’ny atidohan’ny fanafihana no nidoboka am-ponja vonjimaika niaraka tamin’ireo lehilahy roa hafa.

Hamaky ny tohiny...

Sakaraha – Ambalavao Tsy azo handehanana alina fa mandoro fiara ireo jiolahy

25/09/2019

Manomboka amin’ny 10 ora alina dia tsy azo handehanana intsony eo anelanelan’i Sakaraha sy Ambalavao, amin’ny lalam-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana