Fil d'actualités du 04/06/2020

  • 04/06/2020 - 17:00 : AFERA BONBONS SUCETTES: Nesorina tamin'ny toerany androany ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay raharaha mahasaringotra azy dia ilay afera 8,4 miliara malaza ho nividianana "bonbons sucettes". Ny minisitry ny fampianarana ambony no miandraikitra vonjimaika ny toerany.

  • 30/05/2020 - 13:30 : CORONAVIRUS: Niampy iray ny maty nampiakatra ny isa ho 6 eto amintsika. 60 kosa ny tranga androany.

  • 29/05/2020 - 17:00 : RAHARAHA BONBONS SUCETTES: Tsy mbola navoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ilay vola 8 miliara ariary. Tsy mpangalatra na mpanao ny tsy mety izahay, olon’ny asa aho ary tany amin’ny tany misy dolara no nody aty amin’ny tany mandray Ariary, hoy ny Minisitry ny Fanabeazana Rijasoa Andriamanana.

  • 29/05/2020 - 16:30 : AMBOLOKANDRINA; Lehilahy anankiroa, 27 sy 43 taona no amoy ny ainy nianjeran'ny tany ny maraina teo. Ora maro no nikarohana ny razana.

  • 29/05/2020 - 14:30 : CORONAVIRUS: 42 ny tranga vaovao notaterina androany. Tafiakatra 698 ny voa rehetra hatramin'izay. 529 mbola tsaboina, ka ny 9 ahiana mafy ny ainy.

  • 29/05/2020 - 14:00 : CORONAVIRUS-VAOVAO LEHIBE: Olona 3 no namoy ny ainy tao Toamasina omaly, ka nampiakatra ny isa ho 5 hatramin'izay nidiran'ny covid-19 teto Madagasikara, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

  • 19/05/2020 - 13:25 : COVID-19: Olona 4 vaovao indray no notaterina fa voa androany, ka 2 tany Toamasina, ary 2 teto Antananarivo. 326 ny fitambaran'ny voa hatramin'izay. Nihatsara ilay "forme grave" iray teny Anosiala, ary efa tsy ampiasana "oxygène" intsony.

  • 19/05/2020 - 13:15 : COVID-19: Nohamafisin'ny CCO Covid-19 tamin'ny alalan'ny Pr Vololontiana Hanta ny fahafatesan'ilay Filipianina tao Ambatovy. Tsy notsaboina tamin'ny alalan'ny CVO izy io, hoy ity Profesora ity.

  • 18/05/2020 - 23:00 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Teratany Filipianina iray antsoina hoe Ryan Reyes namoy ny ainy tany Ambatovy androany 18 may. Ny taona 2012 izy no nanomboka niasa tao.

  • 17/05/2020 - 12:40 : VAOVAO LEHIBE-CORONAVIRUS: Olona iray 57 taona tao Toamasina no namoy ny ainy vokatry ny coronavirus. Iray tamin'ireo tena natahorana na "formes graves" izy ary nisy tosidrà sady voan'ny diabeta.

Voir plus d'infos...

09/07/2020

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20200415

Misongadina

Mbola anaty loza ny firenena Niakatra ho 108 ny voan’ny coronavirus

15/04/2020

Misy olona voatily vaovao miisa 2 mitondra ny tsimokaretina coronavirus, ka manome ny antontan’isa rehetra ho 108, araka ny tatitra mahazatra fanaon’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Guy Maxime Ralaiseheno “Ilay fanapahan-kevitra tara no fositra”

15/04/2020

Vantaniko eto fa iny fanapahan-kevitra iny no nahatonga an’izao fidiran’ny coronavirus izao,

Hamaky ny tohiny...

Jean Nirina HAFARI Olana ho an’ny filoha ireo ekipany sasany

15/04/2020

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mpiray tanindrazana amin’izao fotoanan’ny fihibohana izao,

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Manahy fanaparam-pahefana sy fanodikodinana

15/04/2020

Nitondra ny heviny mikasika ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana eto amin` ny firenena, ankilany, sy ny toe-draharaha eo amin` ny lafiny sosialy sy ara-toekarena nandritra izay telo herinandro fihiboahana izay,etsy andaniny,

Hamaky ny tohiny...

Antoko HVM “ Tsy didy jadona ny hahamehana ara-pahasalamana.”

15/04/2020

Ny hahamehana ara-pahasalamana dia tsy midika didy jadona, tsy fisian’ny mangarahara, fifanenjehana na fampihelezan-kevitra ara-politika, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’I Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fandaharan'asan'ny filoha Malagasy Kianin'ny Afrikanina mafy

15/04/2020

Tao anaty 2 minitra monja dia nahatafavoahan’ny mpahay lalàna sady mpanao famakafakana, Patrick Mboyo,

Hamaky ny tohiny...

Andry Ratsivahiny "Aoka tsy ho tia kely isika"

15/04/2020

An-jatony ireo fitarainana voaray eny amin'ny fiadidiana ny repoblika noho ny kiantrano an-trano amin'ny fizarana ny Vatsy Tsinjo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

"Laissez-Passer Covid-19" sandoka Mpamily roa voasambotry ny polisy

15/04/2020

Tratran'ny Polisy avy ao amin'ny Compagnie Urbaine d'Intervention nitondra fiara ny mpamily miisa roa izay nampiasa "Laissez Passer Covid19"

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Mpino Silamo Mety hankalaza Ramadany anaty fihibohana

15/04/2020

Ny 24 aprily izao no hanomboka ny volan’ny Ramadany ho an’ireo mpino Silamo. Mety hankalaza izany ao anaty fihibohana noho izany izy ireo noho ity toe-draharaha ateraky ny Coronavirus ity.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mba henoy ny hafa e

15/04/2020

Resaka 3,7 tapitrisa dolara avy amin’ny rafitra misahana ny fahasalamana eo anivon’ny firenena mikambana ve sanatrian’izany no nanakana tsy hanidiana ny sisin-tany ara-potoana ka nanjary nahatonga ny ain’ny malagasy ho tandindomin-doza toy izao?

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Atao Aro Tsimoka Aretina coronavirus Miara-miasa akaiky ny ketrika.com sy ny IMRA

15/04/2020

Ny institutions IMRA dia nanambara fa nahita fanafody azo avy amin’ireo raokándro Malagasy sy ny zavamaniry ho fanamafisana ireo hery fiarovana amin’ny vatan’ny olombelona

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola iraisam-pirenena Anisan'ireo hahazo fanalefahana trosa i Madagasikara

15/04/2020

Nanapa-kevitra ny filan-kevim-pitantanana avy eo anivon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI ny 13 aprily teo fa hanalefaka avy hatrany ny trosana

Hamaky ny tohiny...

Fandoavam-bola eny amin’ny Banky Mila mazava tsara ny anton'ny fanemorana

15/04/2020

Ireo tena manana olana no tokony ho voakasiky ny fanemorana fandoavam-bola araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray teny amina banky nanaovana fanadihadiana.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa mpampindram-bola madinika Manadihady aloha vao manaiky fanemorana fandoavam-bola

15/04/2020

Ireo manao asa tena no voa mafy ary tafiditra anaty krizy ankehitriny araka ny fanazavana voaray teny amina orinasa mpampindram-bola madinika iray.

Hamaky ny tohiny...

Toliara Mpiasan'ny kaominina maro noroahana

15/04/2020

Ankoatra ny valan'aretina coronavirus dia mamely ihany koa, hoy ny vaovao voaray avy any Toliara,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ambohimitsinjo-ambohimanarina Rangahy iray tratra saika hamaky trano

15/04/2020

Amin'ny 12 ora sy 20 mn alina ny Polisy eny amin'ny boriborintany fahaenina no nahazo antso fa misy lehilahy iray mihaodihaody tafiditra ao anatin'ny tanànan'olona etsy Ambohimitsinjo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

ISOTRY Ireo mpivarotra hani-masaka sisa tavela

15/04/2020

Maro ireo fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana manoloana ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19, ka anisan’izany ny famerana ireo olona afaka mivarotra sy ny fotoana azo hivarotana.

Hamaky ny tohiny...

Kaontera mandeha amin’ny fahana Manamaivana ny fahasahiranana

15/04/2020

Ao anatin’ny fanatanterahana ny drafitra ara-tsosialy amin’ny hamehana ara-pahasalamana dia manamora ny fanefana ny faktioran-jiro sy rano ho an’ireo mpanjifany ny JIRAMA .

Hamaky ny tohiny...

Fizarana fanampiana Mampiaka-peo ny eny ambany tanàna

15/04/2020

Tanteraka amin'ny mponina eny Andavamamba ilay fitenenana hoe : niandry vasoka no sady nanantena tsy misy.

Hamaky ny tohiny...

Mpanjaitra an-tsena Tsy misy intsony ny mpanjifa

15/04/2020

Velon-taraina tanteraka ireo mpanjaitra an-tsena etsy Ambodin’Isotry amin’izao fotoana izao noho ny tsy fisian’ny mpanjifa.

Hamaky ny tohiny...

Legioma sy voankazo Efa amidy "en ligne" ihany koa

15/04/2020

Ankoatra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny savony, ny siramamy, ny vary….

Hamaky ny tohiny...

Vatsy ho an’ny mpanao gazety Fandraisana anarana aloha no vita omaly

15/04/2020

Ny zoma lasa teo, mpanao gazety miisa 400 no nisitraka vatsy fanampiana avy amin` ny governoran` ny faritra Analamanga.

Hamaky ny tohiny...

Vatsy tsinjo sy PAM Afangaron'ny olona fa noana izy

15/04/2020

Tena sahirana ny olona ka raisiny ambangovangony ny tenin'ny filoha. Mizara fanomezana isam-pokontany ny fitondrana ka ny komity isaky ny vakim-paritra tarihin['ny sefony no manao izany.

Hamaky ny tohiny...

Benenitra Kisoa 100 isan’andro no maty

15/04/2020

Mirongatra ny aretina pesta kisoa, na ramoletaka, any amin’ny distrikan` i Benenitra.

Hamaky ny tohiny...

Lanto Rakotomanga Ho saziana izay tratra manodinkodina ny Vatsy Tsinjo

15/04/2020

Olona 7500 amin'ny 38 000 no efa nahazo ny Vatsy Tsinjo eny amin'ny boriborintany faharoa Antananarivo renivohitra hatry ny omaly.

Hamaky ny tohiny...

Covid 19

Côte d’Ivoire Hamokatra Chloroquine sy fitaovam-pitiliana Covid-19

15/04/2020

Nanome alalana ho an’ny orinasa PHARMANOVA, hamokatra ny fanafody chloroquine, azithromycine ary paracétamol,

Hamaky ny tohiny...

Raokandro Malagasy Tena mandeha be ny tsena

15/04/2020

Raha saika maina avokoa ny ankamaroan’ny tsena amin’izao noho ny fahasahiranana ateraky ny fihibohana dia mifanohitra amin’izay ny tsenan’ny mpivarotra tapa-kazo sy raokandro Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Famaliana ny antso amin’ny 910 Mpitsabo 38 nomena fiofanana manokana

15/04/2020

Mandeha hatrany ny laharana 910 izay antsoina raha misy olana mampiahiahy momba ny coronavirus eny amin’ny fokontany sy ny secteur. Mbola azo iantsoana ihany koa ny resaka pesta, aretim-pivalanana,

Hamaky ny tohiny...

Polisim-pirenena eny Atsimondrano Mampahafana ny mpivarotra ny ora tokony hikatonany

15/04/2020

Ho fampanarahan-dalàna ireo mpivarotra eny Antsimondrano dia nidina ifotony sy nifampiresaka tamin’izy ireo mivantana ary manentana azy ireo hanara-dalàna ny polisy miasa eny an-toerana, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana