Dans la mme rubrique

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

18/10/2019

Tsy an-kijanona intsony lozam-pifamoivoizana izay mahafaty ny mpandeha moto. Omaly dia nisy iray hafa indray namoy aina tetsy Talatamaty.

Talatamaty Maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô

Hamaky ny tohiny...

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

18/10/2019

Karohina ilay manamboninahitra izay “commandant de compagnie” teo aloha tao Ampanihy-Andrefana voalaza ho nanaotao foana ny talata teo.

Zandary mamo nitifitra tamin’ny basiny Divi-janahary no tsy nahavoa ilay tovolohy

Hamaky ny tohiny...

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

18/10/2019

Vao nahita ireo mpitandro filaminana ireo mpifoka rongony eny Ambatomaro dia nirifatra nitsoaka.

AMBATOMARO Mpifoka rongony nifanenjehan’ny polisy

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

18/10/2019

Efa maro no lasibatra ka fantatry ny ankamaroan’ny mponin’ny Toamasina ny endrik’ireo jiolahy sy ny fihetsiny ary ny bajaj fitondrany. T

TOAMASINA Tra-tehaka ireo mpitondra « tuc tuc » mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

17/10/2019

Vola sandoka mitentina 20 tapitrisa ariary no sarona tao Vavatenina ny talata 15 oktobra 2019.

Akaiky ny fifidianana Vola sandoka 400 tapitrisa ariary sarona

Hamaky ny tohiny...

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

16/10/2019

Olona folo no voarohirohy tamin’ny kidnapping zazavavy kely 1 taona sy tapany teo Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Mbola mitohy hatrany ny famotorana raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

KIDNAPPING AMBOHIMANGAKELY 10 no voarohirohy hiakatra fampanoavana anio

Hamaky ny tohiny...

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

16/10/2019

Olona efatra mpiray tsikombakomba miaraka amin’ny mpamilin’ilay fiara feno entana tsy nazava no voarohirohy ary eo am-panohizana ny fanadihadiana ny vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatolampy.

Entana tamina fiarabe nampiahiahy Sarona teny amin’ny lalam-pirenena faha-7

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zaza very hita faty Ny fanaovana “Autopsie” no hanampy amin’ny fanadihadiana

12/06/2019

Ny alatsinainy maraina sahabo tamin’ny 9 ora no hita faty ilay zaza very tamin’ny talata heriny.

 

 

 

 Tao amin’ny reniranon’Andriantany, Ankadivory Talatamaty no nahitana ny vatana mangatsiakan’i Avo, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena eny an-toerana. Ny taratasin’ny dokotera avy ao amin’ny tobim-pitsaboana CSB II Talatamaty izay nanatanteraka ny fizahana, indrindra ny fandidiana faty na “Autopsie” ao amin’ny  HJRA tanterahina amin’izao hanoratana ny vaovao izao no hanampy ny famotorana sy ny fanadihadiana lalina hotanterahin’ny mpitandro filaminana. Tsahivina hatrany, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary fa ny talata heriny 4 jona sahabo tamin’ny 10 ora atoandro mahery no nanomboka tsy hita ilay zaza izay nonina teo Morondava Ambohibao, kaominina Antehiroka. Efa nisy vaovao diso nandeha teo amin’ny tambajotran-tserasera fa nisy fianakaviana nanafina ilay zaza. Nanatanteraka ny fisavana noho io ny mpitandro filaminana ka tsy nahita na inona na inona. Ho fanajana ny razana mbola eo ambohitra dia miandry izy ireo vao hametraka fitoriana noho ny fanalam-baraka azy ireo.

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana