Politique
Kandida Nicolas Randrianasolo Tsy mpangala-bato fa tian’ny olona, hoy ny terak’i Betroka
12/06/2019
Manoloana ny fanaratsiana nataon’Atoa Paolo Raholinarivo mpanohana ny kandida ho solombavambahoaka IRD any Betroka, Raobelitsirofo Vojanahary, tao amin’ny haino aman-jery samihafa teto
Antananarivo ny kandida ho solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas tohanan’izy ireo dia nanao fanambarana teny amin’ny Colbert Antaninarenina omaly talata 11 jona 2019 ny mpomba an’ity kandida farany ity 6 mirahalahy (Pst Michel, Alexandre, Hilarion, Mamy Benoît, Alain sy iray hafa) izay nirahan’ny vahoakan’i Betroka hitondra fanazavana amin’ny fanaratsiana tafahoatra tsy ho feon-dakolosy tokana no ho re manerana an’i Madagasikara amin’ity raharaha ity. Nambaran’izy ireo fa tsy misy mitombina na iray aza ny fanaratsiana natao tamin’Atoa Randrianasolo Jean Nicolas fa ny fahalalany ny maharary ny mponina any Betroka ka nanampiany azy tamin’ny lafiny rehetra nandritra ny 5 taona naha depiote azy no mbola nifidianan’ny vahoaka azy indray ary nahazoany elanelam-bato 3702, nanome 38,45% manoloana ny mpifanandrina IRD nanaraka azy tsy nahazo afa-tsy 26,40%. Ny zavatra nataon’ny kandida Voaja teo amin’ny fitantanana ny kaominina any Betroka nandritra izay 4 taona lasa izay sy ny fanohanan’i Paolo lehiben’ny distrika teo aloha izay olona mahay fa tsy manam-pahendrena no tsy nampazoto ny vahoaka nifidy azy fa tsy sanatria hoe tsy fitiavana ny filoham-pirenena ankehitriny. Tsy olona manam-pahefana ny kandida Randrianasolo Jean Nicolas ka hahavita ny hangala-bato izany, hoy ireto olona avy any Betroka ireto. Nanao sonia an’ireo PV tao amin’ny birao fandatsaham-bato miisa 248 any Betroka avokoa ny delegen’ireo kandida rehetra nifaninana any. Vonona ny hanohy ny asa hiarahana amin’ny fanjakana hampandrosoana an’i Betroka izahay sy ny kandida tohananay, hoy hatrany ireto olona avy any Betroka ireto.
Ntsoavina Evariste