Dossier
10 taona nisian’ny SAMIFIN Nahatratra 161 ireo tranga nisiana famotsiam-bola
29/07/2019
Nandritra ny 10 taona nitsanganan’ny Sampandraharaha iadiana amin'ny famontsim-bola sy famatsiam-bola amin'ny fampihorohoroana (SAMIFIN) izay dia tafakatra 161 ireo tranga naharaisany fitarainana tamin’ny taona 2018 raha toa ka 151 ny taona 2017.
Mbola maro ireo olana sedrain'ny SAMIFIN toy ny tsy fahampian'ny mpiasa. Misy ihany koa ireo rafitra mila ovaina hahafahana manatsara ity sampandraharaha ity satria voafetra hatrany ny asa aman’andraikiny amina fotoana sasany. Voafetra ihany mantsy ny asan’ny SAMIFIN satria rehefa voamariny hoe misy famotsiam-bola ny raharaha iray dia ampiakariny any amin’ny fitsarana (chaine penale) fotsiny izany, dia izay. Mijanona hatreo izany kanefa ao amin’izay no mety miainga ny kolikoly avo lenta ary matetika dia lasa“dossier classé” hatrany ny raharaha. Efa mba nisy ihany ny ezaka natao satria nitombo isa ny fanamelohana ireo tratra nanao heloka raha ny nambaran'ny tale jeneraly, Lamina Boto Tsara Dia nandritra ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny SAMIFIN tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Tsirinasolo