Hevi-petsin'ny Tia Tanindrazana
A-B-C-D-F
29/07/2019
Malaza ankehitriny ny fanamboarana ny rafi-pampianarana eto amintsika. Anisan'izany ny fanovana ny tetiandrom-pampianarana, ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ary ireo zavatra maro hafa.
Ankehitriny moa dia naverina tamin'ny taloha izy rehetra ary tsy hisy fanovana izany ny fampianarana eto Madagasikara na dia iray aza. Nahoana tokoa ary no mitazona lalandava ity rafim-papianarana ity ny fanjakana. Raha nahatsiaro ny rehetra dia teo am-panovana izany rafitra izany koa ny fitondrana Ravalomanana no niseho ireny korontana tamin'ny 2009 ireny, ary dia niverin-dalana ihany koa ny fitondrana tetezamita. Raha hijery ny fomba Anglisy isika, dia anisan'ny zava-dehibe amin-dry zareo ny fampivondronana ny mpianatra. Any aminy dia tsy misy naoty tahaka ny antsika fa litera A,B,C,D,F no hanasokajiana ny zava-bitan’ny ankizy. A no tsara indrindra ary ny litera F no ratsy indrindra. Ny tanjony dia ny mba tsy hifanavahan'ireo mpianatra samy mahay na samy tsy mahay ka hahatsiarovan'izy ireo fa tsy tokony hifanavaka izy ireo fa tokony hifanampy. Izany indrindra no ilaintsika eto satria isika Malagasy dia mahalala tsara fa tia mifaninana samy isika. Izany toe-tsaina izany dia miainga avy any am-pianarana ary raiki-tapisaka hatramin'ny lehibe. Nahoana tokoa ary no tsy asiana fanovana ity rafitra eto amintsika ity? Politika sa tsy fahafantarana ? Mety ekena fa nisy teboka kely tsy nety ny PSE nataon'ny teo aloha, fa mba tokony nisy noraisina ihany ny sasany hahafahana manatsara ny ho avin'ny Madagasikara.