Tranga
Loza tsy roa aman-tany Notsatohana hazo ny fivavian’ilay zazavavy 6 taona naolana
29/07/2019
Niharan’ny herisetra sy ny habibiana…! Maty naolan’ilay rangahy 30 taona ny zazavavy 6 taona iray.
Tsy vitan’izay fa nanamparan’ity tsy mifaditrovana ity ny herisetra koa izy, ka taorian’ny fanolanana nataony dia notsentsenany hazo ny fivaviany. Tao amin’ny fokontany Ambodibonara, kaominina sy distrikan’i Befandriana avaratra, faritra Sofia no nitrangan’izany, ny faran’ny herinandro teo. Nandre ny fahafatesan’ity voatavo tsy mifandraka ity ny fokonolona ka nanenjika ilay mpanolana, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka sy niharan’ny fitsaram-bahoaka koa izy, ka namoy ny ainy. Nivory maika taorian’io tranga io, ny Omc distrika, ka nilaza ireto farany, fa tsy tokony ho natao mihitsy ny fitsaram-bahoaka tahaka izao, fa tokony ho natolotra ny manampahefana ny mpanao ratsy dia ampiharina aminy ny lalàna. Nidina tany an-toerana koa ny zandary avy ao Ambararata ary nanokatra ny fanadihadiana sy ny famotorana mikasika ity tranga ity. Ny razana kosa dia samy nomena ny fianakaviana avy rehefa vita ny fitiliana natao tamin’izy ireo. Nilaza ny hampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ny ray aman-drenin’ity zazavavy ity, hoy ny fanazavana voaray avy any an-toerana.
Sitraka r.