Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Nikodiadia ilay fiara 4x4 Niara-maty izy mivady

29/07/2019

“3 no maty, roa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana noho ny fanararaotana ny lalana tsara”, hoy ny zandarimariam-pirenena misahana ny fanarahamaso ny fifamoivoizana amin’iny faritra Arivonimamo iny.

 

 

 Nisy mpivady niara-maty tamin’ity loza ity tsy iza izany fa Rakotonirainy Faliarimanana Niry (42 taona) sy Andrianaivosoa Hajanirina Domohina (40 taona), namela kamboty 3 mirahalahy izy mivady ireto. Araka ny vaovao ofisialin’ny zandary hatrany, sarotra ny tsy hino fa noho ny fandehanana mafy no nahatonga io loza tamin’ny fiara tsy mataho-dalana marika “Sorento” teo Ambatonapoaka io ny sabotsy maraina teo. Tsy nisy nahita ny loza fa ny fipoahana sy ny fiara efa nivadibadika no hita sy ren’ny mponina. Nipoaka teo Ambatonapoaka, lalam-pirenena voalohany avy aty an-drenivohitra hiankandrefana handeha handevina no nisy olana ny kodiaran’ilay 4x4 ka io fahaverezan’ny rivotra io no fototry ny loza raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Vao manomboka mahatsiaro tena kely ny iray amin’ireo roa voa mafy raha ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana. Ilay vehivavy mpamily sy ny vadiny ary lehilahy iray hafa no nindaosin’ny fahafatesana. Tsiahivina fa nahazo vahana tato ho ato ny loza tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny. Manentana hatrany ny mpitondra fiara ny zandary mba tsy hihoatra ny 80 km isan’ora ho fitsinjovana ny ain’ny olom-pirenena.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana