Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Tranga mampiahiahy tao Sabotsy Namehana «Mpangady lava-drano roalahy matin’ny etona mampidi-doza»

29/07/2019

«Etona manempotra mampidi-doza no nahafaty ireo roalahy mpanao lava-drano teo amin’ny fokontany Ambohinaorina, Sabotsy Namehana.». Io no fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana

 

 

 

 

 

avy ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena eny an-toerana. “Gaz toxique” mahery vaika izay manempotra avy hatrany no tao an-davaka. Efa ny zoma ireo roalahy ireo no nanatanteraka ny

asany ary efa nahavita hatrany amin’ny 7 m. Nisy angady latsaka tao ary saika haka iny, afak’omaly sabotsy maraina ilay iray voalohany izay nidina kinanjo sempotra. Nidina handeha hanavotra azy ity

faharoa izay torana ihany koa ary maty tsy tra-drano tao. Ilay nidina voalohany, avotry ny mpamonjy voina nantsoin’ny manodidina raha ny vaovao ofisialin’ny zandary hatrany fa nony tonga tany

amin’ny hopitaly dia tsy tana ny ainy.

 

Lavaka mafana

Voalaza fa nananosarotra ho an’ireo mpamonjy voina ny fakana ireo mpangady lava-drano ireo. Ankoatra ny fahasemporana dia nafana ihany koa tao an-davaka nefa ny andro ririnina. Ny

polisim-pirenena no mandray an-tanana ny tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana ara-tsiantifika ity karazana tranga hafahafa ity izay vao fito metatra ambanin’ny tany monja. Araka ny loharanom-baovao enyan-toerana, miteraka fisavoritahan-tsaina na “psychose” amin’ny mponina manodidina ny fisian’izy io. Misy amin’ireo mponina eo amin’ny manodidina no efa nisintaka ny toeram-ponenany. Eo am-pandaminana kosa ny manampahefana any ifotony. Avy any Ambohimamory, Andramasina moa ireto mpiasa niharam-boina ireto.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana