Sport
Fifanintsanana CHAN 2020 Lavon’ny Barea Malagasy 1-0 i Mozambika
29/07/2019
Tany amin’ny fanampin’ora 90’+2 vao nahatafiditra ny baolina tokana nandreseny ny Mambas Mozambikanina ny Barea omaly alahady 28 jolay 2019 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, eo amin’ny lalao mandroso ny dingana faha-2 amin’ny fifanintsanana fahazoana hiatrika ny Chan 2020.
I Arnaud n°2 no nahafaty an’io baolina tokana azon’ny Malagasy io ka nampientana indray ny mpitia baolin’i Mahamasina efa gina tanteraka fa saika nionona tamin’ny ady sahala omaly tamin’io lalao io. Azo lazaina fa tena nifantoka tao an-tsain’ireo mpilalaon’ny Barea Chan ny vesatry ny fahombiazan’ny Barea Can tany Egypte sy ny faharendrehan’ny Barea Lalaon’ny nosy tany Maorisy, hany ka na dia nanindry aza ry zareo tetsy Mahamasina tamin’ny fizaram-potoana voalohany omaly dia tsy nety nahatafiditra baolina fa “tena nisy fikoropahana kely, hoy i Franklin mpanazatra”. Niezaka ny nanova fomba fiady kosa ny Mambas avy any Mozambika teo amin’ny fidirana faha-2 ka lasa ry zareo indray no nanindry mafy. “Tena nampiseho lalao tsara izahay, hoy ny mpanazatra Mozambikanina, nefa iny ny vokatra tamin’ny farany. Efa hitanay izao ny filalao tsaran’ny Barea, hoy izy, ka tena hangotraka tokoa ny lalao miverina any aminay ary tsy maintsy hibata fandresena izahay amin’izany”. Amin’ny alahady 04 aogositra 2019 io lalao miverina hatao any Maputo Mozambika io. Azon’ny mpilalaon’ny Barea Chan alaina amin’izay izany izao ny taratasim-bola 5.000.000 Ar fanindroany nomen’ny kandida Hery Rasoamaromaka azy iro tamin’ny alarobia 25 jolay lasa teo.
Ntsoavina Evariste