Dans la mme rubrique

Fanjakana manavakavaka Ankilabao ny faritra 11 ambiny…

11/10/2019

Tamin’ny 20 febroary 2019 no najanona ireo Lehiben’ny faritra ka tsy afaka hatao mpisolo toerana mandrakizay fa tsy maintsy nandray fepetra, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina Rajoelina tamin’ny fandaharana manokana nataony ny alahady 6 oktondra teo. Izany no antony nanendrena ny governora.

Fanjakana manavakavaka Ankilabao ny faritra 11 ambiny…

Hamaky ny tohiny...

Antoko politika malagasy « Tsy mihoatra ny 10 isa no manara-penitra »

11/10/2019

Amin’ireo antoko politika Malagasy mananika ny 300 isa eto Madagasikara dia tsy mihoatra ny 10 isa no manara-penitra, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Antoko politika malagasy « Tsy mihoatra ny 10 isa no manara-penitra »

Hamaky ny tohiny...

Savorovoro eto amin’ny firenena Manaitra ireo rafi-panjakana ny Rohy

11/10/2019

Manaitra ny fandraisan’andraikitr’ireo rafi-panjakana mahefa ny eo anivon’ny Rindran’ny Olom-pirenena Hiarovana ny Iaraha-manana (ROHY)

Savorovoro eto amin’ny firenena Manaitra ireo rafi-panjakana ny Rohy

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Renivohitra “Vitsy mpahalala ireo kandidà roa goavana”

11/10/2019

Manana paikadiny amin`ny fiatrehana sy handresena amin`ny fifidianana ho ben`ny tanàna ireo antoko amin`ny alalan`ireo kandidàny amin`ny distrika samihafa.

Antananarivo Renivohitra “Vitsy mpahalala ireo kandidà roa goavana”

Hamaky ny tohiny...

Asan-dRagôva eto Analamanga Tsy mangarahara sahady

10/10/2019

Nidina ifotony nanao fanadiovana teny Besarety Ragôvan’Analamanga na ny Governora Hery Rasoamaromaka ny talata 8 oktobra lasa teo.

Asan-dRagôva eto Analamanga Tsy mangarahara sahady

Hamaky ny tohiny...

Mpanara-maso ny fifidianana Safidy Nahazo famatsiam-bola 520 000 Euros

10/10/2019

Anisan`ny mpiara-miombon`antoka akaiky amin`i Madagasikara amin`ny fanatontosana ny fifidianana rehetra eto amintsika ny Vondrona Eoropeanina.

Mpanara-maso ny fifidianana Safidy Nahazo famatsiam-bola 520 000 Euros

Hamaky ny tohiny...

Tanà-Masoandro Misy afera tsy mazava

10/10/2019

Mitentina 2.575 lavitrisa Ariary na 650 tapitrisa Euros eo, izay manome antsasaky ny fitambaran’ny tetibolam-panjakana taona 2019 ny vola ilaina amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro.

Tanà-Masoandro Misy afera tsy mazava

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tetibolan’ny fifidianana Vonona hampihatra ny politikam-pitsitsiana ny CENI

16/08/2019

“Miankina amin’ny fanapahan-kevitra avy amin`ny governemanta ny fanapahana ny tetibola ilaina amin`ny fanatanterahana ny fifidianana ben` ny tanàna”, hoy ny filoha lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo.

 

 

 

Na dia efa nandroso soso-kevitra aza ny CENI fa 45 miliara ariary no ilain`izy ireo amin’ny fifidianana monisipaly sy kaominaly. Azo heverina ihany koa ny fampihenana izay tetibola izay noho ny tsy fahampian’ny tetibolam-panjakana, hoy izy. Tsy maintsy misy ny famerana ny asa anatin`ny fikarakarana fifidianana toy ny tsy hanaovana intsony ny fanentanana ny mpifidy handrotsa-bato sy hampihenana ny tambin-karama samihafa sy ny isan`ireo olona tokony hahazo izany. Hampiasa fitaovana izay ho azo heverina fa moramora kokoa ny vidiny. Eo ihany koa ny fitaovana izay azon`ny fitondram-panjakana omena toy ny angidimby, fiaramanidina, ireo trano malalaka rehetra izay tokony hisy ny entana mba hampidina ny fandaniana araka ny azo atao. Manao antso avo ho an`ny trano printy nasionaly ny CENI mba hanome toky hahafahan`izy ireo amin`ny fanotana ireo bileta tokana sy taratasim-pifidianana samihafa ara-potoana. 50 andro ny fe-potoana tsy azo ihodivirana farafahakeliny hanotana ireo antontan-taratasy rehetra saropady ilaina amin`ny fifidianana. Tsy maintsy tanterahina eto an-toerana ny fanotana ireo rehetra ireo noho ny fampiharana ny politikan`ny fitsitsiana, hoy i Thierry Rakotonarivo. Maniry kosa ny CENI ho amin`ny fanatontosana mifanaraka amin`ny fenitra iraisam-pirenena sy ny fotokevi-dehiben’ny demokrasia eto  amin`ny tany sy firenena hanatontosana ny fifidianana. Mangataka ny fitondram-panjakana hametraka ny tetibola izay heverin`ny CENI manatontosa izay fifidianana izay ao anatin`ny fotoana. Manantena ihany koa fandraisana andraikitry ny governemanta amin`ny fametrahana tontolo manodidina milamina manodidina ny fifidianana eo amin`ny lafiny fiarovana sy fandriampahalemana. Tsiahivina fa hiantohan`ny fanjakana malagasy tanteraka ity fifidianana ity. Mety hoeken`ny rehetra ve ny voka-pifidianana ? Nahoana no nandritra ireo fifidianana nifanesy no nahitana korontana kanefa ampy ny tetibola ? Amin`ity anefa dia tsy maintsy hisy ny famerana. Marihina fa miisa 1695 ny kaominina manerana ny nosy ary fifidianana roa no atao amina biraom-pifidianana iray.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana