Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana Voafidy ho filohan’ny Rodoben’ny mpanohitra

16/08/2019

Nitsangana ny « Rodoben’ny Mpanohitra ho amin’ny Demokrasia eto Madagasikara » na ny RMDM, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana lehibe teny Ivandry ny alarobia 14 aogositra teo.

 

 

 

 Nandritra io no nifidianana izay ho filoha mpitarika ka i Marc Ravalomanana no voafidy, izay heverina fa mifanaraka amin’ny lojika politika eto amin’ny tany sy ny firenena. « Antoko 15 amin'ny 21 no nametraka ny fitokisany tamiko ary raisiko ho voninahitra izany. Manome toky aho fa hikatsaka hatrany izay hampandrosoana ny firenena na aty amin'ny lafiny fanoherana aza no misy antsika”, hoy ny nambarany taorian’io. Anisan’izany ny antoko TIM, HVM, KINTANA, NATIORA, MMV, TAFA, TEZA, VAMI, KMFB, FMDD, PDCM, CFKM, SOLIDE, MMM,… Herivelona iray io izay naneho fa miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika. Mitaky ny fampiharana araka ny tokony ho izy ny lalàmpanorenana ka hanajana ny zo ho an’ny mpanohitra, izay mariky ny demokrasia. Hiaro ny fiandrianana sy ny harem-pirenena. Hanao izay ho afany amin’ny fanorenana ifotony ary hitaky sy hametraka ny fanjakana tsara tantana sy tan-dalàna, hampahatsiahy ny fampanantenana nataon’ny governemanta sy ny fanatanterahana izany sy hanara-maso ny fanapahan-kevitra mety mivaona mankany amin’ny famadihan-tanindrazana. Nilaza ny RMDM fa manameloka tanteraka ny fanaovan’ny governemanta fitaovana ny antenimiera, indrindra ny antenimieram-pirenena hoenti-mamingana ny mpanohitra. Mitaky tsy misy fepetra ny fampiharana ny lalàna 2011-013 tsy misy fikitihana sy fanovana ihany koa izy ireo mba ho fanajana ny tena tany tan-dalàna. Manohitra amin’ny heriny rehetra ny tolo-dalàna 01-2019/PL napetraka teny amin’ny antenimieram-pirenena, izay mikendry ny fanafoanana ny lehiben’ny mpanohitra izay ankatoavin’ny lalàna efa misy. Ny 20 aogositra izao, raha tsy misy ny fiovana no kendrena holaniana eny Tsimbazaza ilay fanovana ny lalàna, saingy ny an’ny mpanohitra no nataony tonga aloha. Anio dia hisy ny fihaonambe etsy amin’ny Hotely Carlton ataon’ny RMDM, izay heverina fa hanamafisana ny zavatra efa tapaka sy hanaovana fanambarana lehibe momba ny tontolon’ny fanoherana.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana