Dans la męme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Andry Rajoelina Tratry ny vely kobay, mikatso ny IEM

16/08/2019

Nampahafantarina nandritra ny ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo fa tsy maintsy ampifanarahana amin`ny velirano natao ny fametrahana ny tetibolam-panjakana 2020 izay tokony hiompana amin`ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka amin`ny lafiny sosialy sy ny sehatry ny fambolena.

 Araka izany, ilaina ampifanarahana tsara amin`ny filan`ny vahoaka sy ny tanjona napetraky ny filoham-pirenena nanaovany velirano tamin`ny vahoaka Malagasy, ny volavolan-tetibola handrafitra ny tetikasa sy lamina amin`ny taona 2020. Milaza fa ho hentitra ny filoha Rajoelina ka mitaky “asa-fahamatorana-fandraisana andraikitra » mifandraika amin`ny filan`ny vahoaka sy ny toe-java-misy isaky ny faritra no tokony hapetraka amin`ny fandrafetana ny volavolan-tetibola ho amin`ny taona 2020. Mila ampitomboina ny fandaniam-bola ara-tsosialy, ny famatsiam-bola natokana ho amin`ny fampiroboroboana ny fambolena. Midika izao fa amin`ny taona 2020 vao hanomboka ny asa IEM. Ny fitondram-panjakana ihany no nanamboamboatra ny tetibolany tao fa ny vola be famatsiam-bola tsy hita popoka kanefa be vava be ny filoha tamin`ny  janoary 2018 hoe: “Efa vonona ny vola hanatanterahana ny IEM ka raha vao tonga eo amin’ny fitondrana isika dia tsy ankiandriandry intsony fa maika ny fampandrosoana. Misy ny vola satria neken’ny firenena maro tany Eoropa ny IEM ity. Ny vahiny no mitady antsika fa tsy isika no mitady azy ireo”. Ny zava-misy ankehitriny, nahena ny tetibola ho an`ireo minisitera maro samihafa. Ny fahasalamana, ohatra, dia nahena 25,4 miliara ariary. 27,9 miliara ariary kosa ho an`ny rano sy ny fidiovana. Ny sehatry ny fanabeazana ihany koa dia nahitana fihenana 33,8 miliara ariary. Tena maika amin’ny sehoseho ivelany ny fitondram-panjakana fa tsy mitsinjo lavitra mihitsy. Azo antoka fa hiha bado ny zaza malagasy raha izao no mitohy. Ankoatra izay, be loatra ny fifanoheran-kevitra amin`ny zavatra ambara sy ataon`ity fitondrana ity. Tompondakan`ny zavatra mifanipaka tanteraka. Ny zava-misy dia tsy misy mamatsy vola ny IEM. Mpandraharaha vahiny maro no nasain`ny filoha Rajoeilina nanodidina azy sy nentiny avy any ampitan-dranomasina nandritra ny fampahafantarana  ny IEM. Natsangana izy ireny teo akaikiny mba hampisehoana fa ireo no mpandraharaha nanaiky ity IEM ity. Dia aiza ary ireny ankehitriny ? Tratry ny vely kobay ?

 

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana