Politique
Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?
20/08/2019
Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.
Mitana ny sain’ny maro ny eto Antananarivo, izay efa misy ny serasera mandeha ho an’ireo milaza fa ho kandida ben’ny tanàna. Tsy mbola hita soritra mazava na izany aza ny kandidan’ny fitondrana sy ireo ambara ho mpanohitra. Hijanona amin’ireo kosa sa hisy ny kandida tsy ampoizina ? Ireo aloha no hita fa mety hisy ny kandida tsy hampoizina sy fomba fijery hafa. Mila fomba fijery sy fomba fiasa vaovao lavitry ny adilahy politika mampihemotra fa kosa vonona amin'ny adihevitra mampandroso ny renivohitr’i Madagasikara. Hatramin’izay, dia toa zary lasibatry ny adilahy politika, ka raha mbola izany no hotohizana, dia hitohy hatrany ny fahapotehana. Fahadisoam-pijery ny mety fanaovan’ny fanjakana foibe sorona ny renivohitra raha tsy ny olony no ho lany eo, na ho an’ny mpitantana an’Antananarivo raha manangana efitra. Na ho iza na ho iza, na inona na inona loko politikan’izay ho lany ho ben’ny tanàna, dia tsy vahaolana mihitsy ny fananganana ho fahavalo. Ny hevitra no tsy mitovy fa ny fiaraha-mampandroso kosa azo hiandian-kevitra sy hifanarahana, raha tena misy tokoa ny fitiavan-tanindrazana ary mariky ny fanajana ny safidim-bahoaka sy ny demokrasia rahateo izany.
Toky R