Dans la mme rubrique

Dokotera Joseph Ramiandrisoa « Nidina ny fari-piainan’ny olona, dia nalaina nifidy izy ireo »

06/12/2019

Niaraha-nahita fa nihena ho 25% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tonga nifidy, ny 27 novambra teo.

Dokotera Joseph Ramiandrisoa « Nidina ny fari-piainan’ny olona, dia nalaina nifidy izy ireo »

Hamaky ny tohiny...

Fotodrafitrasa ao amin’ny faritr’i Sofia Mampitsoaka mpandraharaha

06/12/2019

Ny fametrahana ny rafitra momba ny fidiram-bolan’ny faritr’i Sofia no nataonay voalohany indrindra, raha voatendry ho

Fotodrafitrasa ao amin’ny faritr’i Sofia Mampitsoaka mpandraharaha

Hamaky ny tohiny...

Vakinankaratra Tovovavy iray saika namidy70 tapitrisa Ariary

06/12/2019

Olona efatra malaza amin’ny fivarotana sy fanondranana olona no saron’ny zandary avy ao amin’ny GAPJ Vakinankaratra ny talata lasa teo.

Vakinankaratra Tovovavy iray saika namidy70 tapitrisa Ariary

Hamaky ny tohiny...

Rano tapa-dava eto an-drenivohitra Eo am-pitadiavana vahaolana ny JIRAMA

06/12/2019

Nitondra fanazavana mahakasika ny rano tapa-dava eto an-drenivohitra omaly ny orinasa JIRAMA.

Rano tapa-dava eto an-drenivohitra Eo am-pitadiavana vahaolana ny JIRAMA

Hamaky ny tohiny...

Tsiroanomandidy Zaza vao teraka, nipotsaka ny masony

04/12/2019

Zaza menavava iray vao teraka tamin’ny alahady teo no nipotsaka toy ny hivoaka ny masony sady menamenabe raha vao latsaka tamin’ny tany izy.

Tsiroanomandidy Zaza vao teraka, nipotsaka ny masony

Hamaky ny tohiny...

Olona manana fahasembanana Mitaky ny hanitsiana ny lalàna miaro azy ireo

04/12/2019

Tsy mbola tena misitraka ny zony feno ireo olona manana fahasembanana eto amintsika na dia efa nanao sonia sy nanaiky izany aza i Madagasikara.

Olona manana fahasembanana Mitaky ny hanitsiana ny lalàna miaro azy ireo

Hamaky ny tohiny...

MAHAJANGA Zazalahy 20 taona, maty notsindronin’ny mpanendaka ny antsy

04/12/2019

Mirongatra ihany koa ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitr’i Boeny.

MAHAJANGA Zazalahy 20 taona, maty notsindronin’ny mpanendaka ny antsy

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Lasan’ny karana ny tany Nanao ampamoaka ny fokonolona

20/08/2019

Naneho ny tsy fahafaliany tamin’ny fanotorana ny tany izay efa nohajariana nandritra ny 20 taona ny mponina ao Ankorondrano, ka nametraka sorabaventy hoe “tsy ekenay ny fangalana ny taninay, izay efa nohajarianay an-taonany maro”,

 

 

 

nefa dia nisy nanala sy nandrovitra, hoy ireto mponina. Nambaran-dRamatoa Rakotoarison Malalatiana Eugenie, anisan’ny mponina ho rava trano fa an’ny orinasa Simanco io tany io, ka novidian’ny vazaha izay tompony, tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Nahazo titra tamin’ny fanjakana io vazaha io, ka nijanona ho azy ny tany. Tsy misy intsony anefa io orinasa io amin’izao, hoy izy. Tsy nisy tohiny koa ny resaka tany. Vondrona, honahona, tsikafona no naniry teo amin’io tany io. Ny taona 2003 no nanomboka nanajary io tany io, ireto mponina ireto ary nanorina trano fonenana ho azy ireo teo. Nangataka titra sy borna io tany io, izy ireo, nefa nisy nanakana ny famoahana izany teny amin’ny tribonaly, hoy  ireo mponina nitaraina. Mbola miady any amin’ny tribonaly ity tany ity, nefa ny mahagaga an’ireto mponina ireto, dia lasa manana titra an’io tany io, ilay karana milaza fa tompony. Trano maromaro no iharan’ny fandrodanana amin’izao, ka izay manana taratasy ara-dalàna tsy voakitika, fa izay tsy manana kosa dia arodana ny tranony, hoy ity ramatoa ity. Anisan’ny tratry ny rano miakatra ity toerana nototofana sy nanorenana trano ity rehefa miakatra ny rano, hoy ny fanazavany, ka maro ireo traboina amin’izany.  Mangataka amin’ny tompon’andraiki-panjakana mba hijery akaiky izao olana sedrain’ny mponina izao, fa tsy manana toerana aleha izy ireo, raha ravana ny tranony, hoy hatrany ny fitarainana.

 

Sitraka r.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana