Dans la mme rubrique

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

06/12/2019

Mihorohoro ny mponina ao amin’ny distrikan’Ankazoabo atsimo amin’izao fotoana izao. Olona 3 no maty notapahin-doha, ka vehivavy ny iray ary lehilahy ny 2 tamin’ireo.

Ankazoabo atsimo Olona telo maty notapahin-doha

Hamaky ny tohiny...

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

06/12/2019

Efa ezahan’ny fitondram-panjakana rakofana «caméra de surveillance» eto an-drenivohitra,

Camera de surveillance Mitaky fitoriana ny fanenjehana jiolahy amin’ny zava-misy

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

06/12/2019

B98570831 sy B98570849 ary B98570850 no laharana vola sandoka izay mipariaka avy any Ambositra.

Vola sandoka 580 000 ariary Mila hamarinina ireo mari-bola 20 000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

04/12/2019

Araka ny fitarainana tonga eo anivon’ny mpitandro filaminana, mitebiteby ireo mpandeha an-tongotra, misy aza ireo voadona ka maratra noho ny afitsok’ireo mpanamory kodiaran-droa.

Fifamoivoizana Hosaziana ireo kodiaran-droa miakatra « trottoir»

Hamaky ny tohiny...

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

04/12/2019

Nanao hetsika ho fanoherana ny fametrahana « fibre optique » ao amin’ny Cité Libanona, ao Taolagnaro ireo fikambanana sy ny mponina any an-toerana.

Libanona - Taolagnaro Lavin’ny mponina marindrano ny fametrahana « fibre optique »

Hamaky ny tohiny...

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

04/12/2019

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teo Andohan'i Mandroseza, omaly 3 desambra, tokony ho tamin'ny 8 ora sy folo minitra.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA Lehilahy iray maty noporetin’ny fiara roa

Hamaky ny tohiny...

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

03/12/2019

Nampivarahontsana ny loza nitranga tany Toamasina. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano voahitsaky ny “sémi-remorque” omaly tamin’ny lala-mahitsy “Tropical Fruit”

Voahitsaky ny « sémi-remorque » Potipotika ilay lehilahy, niparitaka ny taovany

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

 

 

Nandritra ny famotorana tao anatin’izay andro vitsy izay no nahalalana, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany fa sakaizan’ny mpanambady taloha ihany ilay nanindrona antsy nandritra ny « bal » ka nahafaty an’io tovolahy vao vita mariazy io. Tao amin’ny kaominina Miandrarivo, distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava no nitranga ny loza. Ny alin’ny 12 aogositra, sahabo ho tamin’ny 11 ora alina tao anatin’ny alim-pandihizan’ny fifaliana tamin’ny fampiakarambady no niseho ny loza. Noho ny ratra nahazo ilay lehilahy tompon’ny fanasana dia tsy tana ny ainy na efa niezaka nitondra azy hihazo ny toeram-pitsaboana akaiky tany  an-toerana  aza ireo fianakaviana sy ny tany ama-monina. Avy nanindrona antsy ilay sipan’ny mpanambady taloha dia nanjavona avy hatrany. Ny teo an-toerana moa variana namonjy ilay lasibatra, ny faritra koa midadasika sady anaty haizina ka tsy nisy nahita ny nitsoahany.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana