Dans la mme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana ben’ny tanàna Havitrika sa mbola halaina ihany ny mpifidy ?

22/08/2019

Raikitra ihany ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny fifidianana mpanolotsaina amin’ity taona ity taorian`ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana.

 

Ny olana mipetraka ankehitriny eto Madagasikara dia fifidianana ara-dalàna tahaka ny inona no havoakan`ny fifidianana hataontsika ? Tena ho azo itokisana ve ?  Mbola mahabe adihevitra etsy sy eroa ny amin’ny lisitry ny mpifidy, na eo aza ny fanatsarana ataon’ny CENI amin’izao fotoana. Ahiana mbola hampihena ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy koa izao fanjavozavon’ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly izao. Tena ho afaka misafidy marina tokoa ve ny mpifidy ka fandaharanansa tena izy no ifotorany sa tsy ho tonga hifidy izy ? Anisan’ny fifidianana akaiky ny vahoaka, indrindra ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina, miantoka ny fampandrosoana ifotony mivantana. Tsy mahatsapa na tsy resy lahatra firy izay fiovam-piainana amin’izay mpitondra na olom-boafidy ny vahoaka. Tsy hita rahateo izay fitsinjaram-pahefana tena izy amin’ny fampandrosoana mivantana eny ifotony toy ny enti-manana, ny fahaiza-manao… Mba hiraharaha ny toromarika sy ny fitakiana voarainy indrindra ao amin`ny firaisamonina sivily ve ireo mpikarakara fifidianana ? Mila etanina ny risipon`ny vahoaka ifotony amin`ny fahatokisany ny mpitondra. Eo koa ny fandraisany anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana amin’ny maha olom-pirenena azy. Anisan’ny azo anombanana izany izay ho taham-pahavitrihan’ny mpifidy amin’ny fifidianana, na mbola mampanahy be ihany aza. Tokony havela hanana na hanao ny safidy farany ny mpifidy na niaiky ny CENI fa nisy ny fanilihana ny safidim-bahoaka.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana