Dans la męme rubrique

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

18/10/2019

Nanaitra ny maro ny hafatra navoakan’ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amin’ny tambajotran-tserasera omaly,

Vaky ny adin’ny MAPAR Tsy ho zakanareo ny alahelonay, hoy i Rossy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

18/10/2019

Manoloana ny fanambarana ny hoe : “Ity no KANDIDAM-PANJAKANA, TSY MAINTSY io no LANIANA !

Fifidianana any Betafo Kandidam-panjakana no tsy maintsy holaniana?

Hamaky ny tohiny...

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

18/10/2019

Herinandro vitsivitsy sisa no isaina dia hiditra tanteraka anatin’ny fifidianana Ben’ny tanàna isika.

SEFOM-POKONTANY AO IVATO Fito no indray nalana tamin’ny toerany omaly

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

18/10/2019

Tafiakatra 60 000 ariary na 80 000 ariary ny saram-pisoratana anarana eo anivon’ny EPP, CEG… amin’izao.

Vahoaka Malagasy Hobadoin’ny mpitondra…

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

18/10/2019

Naninona no maika be ny fanendrena ireo governora andiany voalohany ireny nefa ny andiany faharoa toa nihisatra ?

Fanendrena governora Toa tanteraka moana ny HCC…

Hamaky ny tohiny...

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

17/10/2019

Tsy misy izany governora izany ao anaty lalàmpanorenena. Ao anatin’ny firenena federaly io fa tsy misy eto amintsika.

Politika sy afera Ambohitrimanjaka Nampitandrina Ravalomanana

Hamaky ny tohiny...

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

17/10/2019

Ny komity ifotony ho an’ ny fampandrosoana(CLD), hatramin’izay, dia ny eo anivon’ny distrika sy ny depiote no nitantana azy.

Tetibola ho an’ny CLD “Tokony hotantanin’ny kaominina mivantana”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

 Betsaka rahateo ireo soso-kevitra efa natolotry ny sokajin’olona na mpitondra samy hafa saingy rehefa misy atrikasa ihany no miseho izany. Ohatra, tokony hifanaraka amin’ny tantara napetraky ny teo aloha, ny toetra jeografika, ny fizaran’ny toetrandro, ny endri-pifandraisana eo anivon’ny samy vondrom-paritra …  ny fizaram-paritra misy. Amin`izay, tsy maintsy mandray an-tanana ny fampandrosoana ny vondrom-paritra sy ny lafin-tany misy azy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny manomboka amin’ny olom-boafidy izany fa tsy hionona amin’ny famatsiam-bola sy fanampian’ny fitondrana foibe mpanelanelana sy manamora ny fiaraha-miombon’antoka heverin’ny Faritra fa hampahomby ny ezaka fampandrosoana ataony. Mila mametraka fomba fijery tsy mitanila ny fitondrana foibe amin’ireo asa sy fampitaovana ny vondrom-paritra ary hanome koa ny herijikin’ny isam-paritra amin’ny tena fampandrosoana mifanaraka amin’ny filan’ilay Faritra na lafin-tany mihitsy. Mahakasika ny toe-bola tena ilain’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mba hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-paritra tsirairay  dia tokony apetraka eo anivon’ny andrim-panjakana mpanao lalàna ny fandinihana izany satria ny famatsiam-bola sy ny fampitaovana ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana no fototra sy fanoitra lehibe  hampandrosoana azy ireo ary tokony hatao vaindoham-piniavan’ny mpitondra izany. Mila hatsaraina ny vovonan’ireo vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (intercommunalité) mba hampirindra ny tetika sy hevitra hitondrana ny tena fampivoarana satria moramora kokoa ny mampivondrona ny fomba fijery ao anatin’ny faritra na lafin-tany ka mitovitovy ny toe-tany sy ny zava-bita. Mbola betsaka ny ezaka atao raha te hametraka ny fitsinjaram-pahefana mifototra amin’ny fampandrosoana sy ny demokrasia isika, mitaky finiavana avy amin’ny rehetra na olon’ny fitondrana na olom-boafidy na mpandraharaha na mpamatsy vola, indrindra ny vahoaka hiantefany. Ny fahaizan’ny mpitondra sy tompon’andraikitra eo amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana mifehy ny fampidiran-ketra eo aminy dia fomba iray mitarika ho amin’ny fananan’ilay vondrom-paritra fahavitan-tena eo amin’ny fitantanana sy ny fampandehanana ny rafitra misy.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana