Dans la mme rubrique

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

21/01/2020

Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay Ramatoa namono ny zanany roa ka saika hamono tena dia nosamborin’ny Polisy afak’omaly.

Disadisam-piainana Novonoiny ho faty ny zanany mirahavavy

Hamaky ny tohiny...

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

21/01/2020

Nahitsy ny tenin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly nanoloana ny mpanao gazety.

Raharaha 65 000 Ariary Ny mpiasan’ny foibe ihany no nomen’ny filoha solompenakoho

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Tsy hilefitra ny ray aman-drenin’ireo mpianatra miisa 22

21/01/2020

Rehefa vitan’ny mpitsabo teo Ambatomiraharavy ny fizaham-pasalamana sy ny fitiliana dia voalaza fa ny fihinanana sakafo

Fanapoizinana ara-tsakafo Tsy hilefitra ny ray aman-drenin’ireo mpianatra miisa 22

Hamaky ny tohiny...

«GARE ROUTIERE MAKI» ANDOHATAPENAKA Nadoboka am-ponja ireo jiolahy roa mpanendaka

21/01/2020

Natolotra ny fitsarana ireo roalahy mpanendaka eny amin’ny fiantsonana taksibe Andohatapenaka ary notazonina vonjy maika eny Antanimora omaly alatsinainy 20 janoary 2020.

«GARE ROUTIERE MAKI» ANDOHATAPENAKA Nadoboka am-ponja ireo jiolahy roa mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

AMBOHIMARINA ANDRAMASINA Mitohy ny fanadihadiana an’ilay hita faty nisy namono

21/01/2020

Nahitana fatina lehilahy iray tao Ambohimarina, distrikan’Andramasina izay lalana anelanelan’ity renivohitry ny distrika ity sy Behenjy Ambatolampy.

AMBOHIMARINA ANDRAMASINA Mitohy ny fanadihadiana an’ilay hita faty nisy namono

Hamaky ny tohiny...

Lehilahy maty tao amin’ny Borigady “Tsy tokony ho vitavita ho azy”

21/01/2020

Tovolahy iray 27 taona notazonina tao amin’ny biraon’ny zandary teny Andoharanofotsy no namoy ny ainy ny zoma lasa teo, izay heverin’ny olona fa herisetra no mety nahafaty azy.

Lehilahy maty tao amin’ny Borigady “Tsy tokony ho vitavita ho azy”

Hamaky ny tohiny...

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

20/01/2020

Araka ny loharanom-baovao azo avy any Toamasina, tsy misy ahiana ny ain’ilay raim-pianakaviana izay tsy nahatsiaro tena tanteraka raha tratran’ny fahavakisan’ny lakana teny anivon-dranomasina.

Loza an-dranomasina Avotra ihany ilay mpanarato vaky lakana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

 

Namoaka io baiko io ho amin’ny fampahafantarana indray ny aro lozan’ny fifamoivoizana ny lehiben’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria-pirenena any an-toerana, Hermelan Serge Razafindrakoto, ny 18 aogositra teo. Tsikaritra tato ho ato fa nahazo vahana ny lozam-pitaterana an-tanety ary sorohana hatrany izany izay be mpitranga amin’ny vanim-potoana mahabe olona toy izao. Efa manomboka mitombo isa ireo mpandeha mivezivezy manerana ny Nosy amin’izao main-tany izay fanatanterahana ny lanonam-pianakaviana sy ny famadihana ary ny fialantsasatra izao.

Ankoatra ireo toromarika ho an’ny sivily, nampatsiahy ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpitandro filaminana ihany koa ity Lehibem-pibaikoana ny CIRGN ity amin’ny fisorohana ny herisetra sy ny kolikoly. Ho hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana ireo manampahefana aorian’izao fanentanana izao, voalaza mihitsy aza ny ho fandroahana sy ny hofamonjana ho an’ireo mpandika lalàna. Ny kolikoly izay manarona ny olana ara-teknika sy mekanika ary ara-taratasy maro an’ny fiara matetika no anisan’ny fototry ny loza eto Madagasikara.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana