Dans la mme rubrique

Rodoben’ny mpanohitra Namoaka ny dosien’ny fitondrana tetezamita

16/07/2020

Namoaka ireo teboka lehibe voarakitra ao amin’ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena momba ny resaka paradisa fiskaly

Rodoben’ny mpanohitra Namoaka ny dosien’ny fitondrana tetezamita

Hamaky ny tohiny...

Antoko Otrikafo “Aleo ny fokontany no hampizarana fanampiana isan-tokantrano”

16/07/2020

Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra fa ity resaka Covid 19 ity, ny antoko politika Otrikafo, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny.

Antoko Otrikafo “Aleo ny fokontany no hampizarana fanampiana isan-tokantrano”

Hamaky ny tohiny...

Nosy Manodidina “Fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana iombonana”

15/07/2020

Mbola resabe eo anivon` ny fiarahamonina sy eo anivon` izao tontolo izao ny resaka Nosy Manodidina.

Nosy Manodidina “Fifampiresahana ihany no ahitana vahaolana iombonana”

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova “Akaiky ny fipoahana ara-tsosialy”

10/07/2020

Olana be rehefa mihiboka na ekena aza fa misy ny aretina. Tokony hisy fandinihina ara-stratejika bebe kokoa ataon’ny mpitondra fa efa tsy tafavoaka intsony ilay izy satria efa miha manakaiky foana ny fipoahana ara-tsosialy.

Serge Zafimahova “Akaiky ny fipoahana ara-tsosialy”

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona 11 volana, tsy voatendry ny solon’i Mbade Jeannine

10/07/2020

63 ny isan’ireo Loholona mandrafitra ny Antenimierandoholona, izay andrimpanjakana faharoa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Antenimierandoholona 11 volana, tsy voatendry ny solon’i Mbade Jeannine

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanarahana ny toromarika Mila mandini-tena ny mpitondra fanjakana

10/07/2020

Tao anatin’ny 3 andro niverenan’ny fihibohana tapak’andro izao no nahitana fa sarotra ho an’ny olom-pirenena ny tsy hifanaretsaka amin’ireo toerana fitadiavany isan’andro. Isotry, 67ha, Ambanidia,

Tsy fanarahana ny toromarika Mila mandini-tena ny mpitondra fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Hemerson Andrianetrazafy –mpahay tantara “Marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto”

10/07/2020

Rehefa tsy eo amin’ny fitondrana ireo nitondra taloha vao mody misaina, hoy ny mpahay tantara, Hemerson Andrianetrazafy.

Hemerson Andrianetrazafy –mpahay tantara “Marefo sy tsy tsara faka ny demokrasia eto”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fizotran`ny fifidianana Milamina amin`ny ankapobeny

10/09/2019

Nitarika fivoriana niarahan’ny governemanta sy ny CENI ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, ho fijerena akaiky ny fizotry ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna.

 

Natao mba hahafahana mahafantatra izay olana madinidinika mety hiteraka tsy fahatomombanana, ary mitondra vahaolana mifandraika amin’izany. Nanambara ny praiminisitra fa hifarana ao anatin’ny telo andro (ttf: omaly) ny fotoam-pametrahana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ary mizotra ara-dalàna ny fikarakarana rehetra. Milamina, hoy izy, amin’ny ankapobeny na eo amin’ny lafiny fikirakirana ny fitaovana na eo amin’ny tetibola. Nojerena ihany koa ny andraikitry ny tetikasa “SACEM” izay nanohana tamin’ny fifidianana hatramin’izay. Nilaza koa ny teo anivon’ny CENI fa mizotra araka ny tetiandro napetraka ny fanomanana. Mbola mihisatra amin`izao herinandro farany fanaterana antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ireo kandidà manatitra izay eny amin`ny OVEC ka manentana an`ireo antoko politika sy vondron’olona tsy miankina izay maniry hirotsaka eo amin’ny andraikitra maha Ben’ny tanàna na mpanolotsain’ny tanàna mba tsy hiandry ny fotoana farany amin’ny fanaterana izany.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana