Dans la mme rubrique

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

21/11/2019

Lehilahy iray no hita faty anaty tatatra fandehanan’ny rano maloto teny Iavoloha, teo amin’ny sampanana mihazo ny Lapam-panjakana omaly vao maraina.

Iavoloha Fatin-dehilahy mifono mistery…

Hamaky ny tohiny...

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

21/11/2019

Ankizy vavy kely sahabo ho efatra taona no nianjera tampoka teny ambony taksibe teo Anosy omaly maraina tamin'ny 6ora sy sasany. Sady niteny ilay mpamily hoe :

ANOSY Zazavavy kely 4 taona nazeran'ny taksibe

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

20/11/2019

Araka ny fanadihadian'ny polisim-pirenena ao amin'ny kaomisarian' Antsirabe, 10 000 000 Ariary no noheverin'ireo mpamaky fasana tao Ambatomenaloha Tsaravavaka,

Antsirabe 10 tapitrisa ariary ny kilaon’ny taolam-paty

Hamaky ny tohiny...

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

20/11/2019

Velon-taraina ny olona any Morondava noho ny tsy fisiana fanafidy ao amin’ny Hopitaly Namahora.

Hopitalim-panjakana tsy misy fanafody 10 000Ar ny “consultation” any Namahora

Hamaky ny tohiny...

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

20/11/2019

Halatra moto Atolotra fampanoavana anio ilay mpisera

Hamaky ny tohiny...

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

20/11/2019

Any am-ponjan'ny Mahajanga no miandry fitsarana ilay namono nahafaty ny tovolahy 15 taona izay mpiandry ondry sy osy amam-polony maro.

Famonoana mpiandry ondry sy osy tany Mahajanga Naiditra am-ponja vonjimaika ilay nahavanon-doza

Hamaky ny tohiny...

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

18/11/2019

Mihidy mialoha ny amin’ny 9 ora alina ny toeram-pisotroana, mitohy ny fanentanan’ny manampahefana any Andapa fa tsy mitombina ny feo niely tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny

Andapa Tsy mitombina ilay “halatra taova”

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Zava-mahadomelina Rongony 42 kitapo no tratra nandritra ny fitsidihan’ny Papa

13/09/2019

Nohararaotin’ireo jiolahy mpanao trafikana zava-mahadomelina tany amin’ny faritra atsimo sy avaratry ny Nosy ny fifantohan’ny mpanara-baovao nandritra ny fitsidihan’ny Papa Fransoa.

 

 

Nahatratra 24 gony mahery no tratra nanomboka ny 6 ka hatramin’ny 9 septambra teo. Nifanehitra ireo jiolahy mitam-basy miisa 11 nitondra rongony 20 kitapo sy ny zandary avy ao amin'ny tobin-janaparitra Tritriva ny atoandron'ny 9 septambra 2019, tao Sakoabe, Tritriva, kaominina Soamatasy, Ihosy. Na nirongo basim-borona Baïkal kalibra 12 sy basy poleta vita gasy iray aza ireo jiolahy dia voasambotra ihany noho ny fahaiza-manaon'ireo zandary.

Rongony 22 kitapo milanja 286kg koa no sarona tao amin'ny fokontany Andravinambo, kaominina Antsirabe-nord, distrikan’i Vohémar, SAVA ny 6 septambra 2019. Araka ny loharanom-baovao avy amina tsara sitrapo ka notrandrahan'ny zandary tao Ampanefena no nahatrarana ireo rongony sy ny jolahy miisa roa tompony.

Rongony 12kg kosa no mbola sarona tao anaty valizy ana jiolahy nentin'ny taksibrosy rehefa nanao fisavana ireo zandary avy ao amin'ny kaompanian’Antsohihy ny harivan'ny 8 septambra teo. Avy any Port Bergé ho any Antsohihy ka teo Ankerika 12km atsimon'i Antsohihy no tratra. Nampidirina "fourrière" ilay fiara. Notazomina vonjimaika avokoa ireo  jiolahy ho amin'ny famotorana ary efa natolotra ny fampanoavana. Nodorana avy hatrany teo imason'ny manampahefana  avy ireo rongony rehetra ireo.

Haja Nirina

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana