Dans la męme rubrique

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

21/11/2019

Raikitra ny rombo tetsy Ambohimiandra teo amin’ny mpamily taksibe sy ny mpandeha.

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

Hamaky ny tohiny...

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

20/11/2019

Anio no hanomboka ny fitsarĂ na ilay raharaha famonoana ho faty tamin'ny fomba feno habibiana ireo telo mianaka tao Imerintsiatosika.

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

Hamaky ny tohiny...

AMNESTY INTERNATIONAL

08/11/2019

Notehafan’ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International ny fidinan-dRajoelina nijery ny fonja.

AMNESTY INTERNATIONAL

Hamaky ny tohiny...

OLON-DRATSY TAFIDITRA AMINA FIVORIANA

07/11/2019

Mbola tafiditry ny olon-dratsy hatrany ny fihaonana lehibe iraisam-pirenena toy izay nitranga nandritry ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina afrikanina tetsy amin’ny CCI Ivato omaly.

OLON-DRATSY TAFIDITRA AMINA FIVORIANA

Hamaky ny tohiny...

TSY MANAIKY PYLONE

06/11/2019

Mbola nanamafy ny fitokonana indray ireo mponina teny Ambohidraserika Mahazoarivo izay tsy manaiky ny hametrahana « pylône » an’ny Telma eo amin'ny tanàna.

TSY MANAIKY PYLONE

Hamaky ny tohiny...

JEAN LOUIS ROBINSON

31/10/2019

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara monina sy miasa any amin’ny repoblika entim-bahoakan’i Chine ny Dr Jean Louis Robinson.

JEAN LOUIS ROBINSON

Hamaky ny tohiny...

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

30/10/2019

Hamaly tsy ho ela ny governemanta, indrindra fa ny ministeran’ny angovo ny fikambanan’ny mpivarotra solika eto Madagasikara.

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO

16/09/2019

Hahazo tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro i Antsirabe ka ny orinasa Witec no hiandraikitra ny fanorenana izany.

 

 

Notanterahana nandritra ny hetsika “Vitrine du Vakinankaratra” farany teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo sy ity orinasa ity.

TRANO MORA

Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ireo trano mora ho an’ny ao Toamasina, hoy ny filoha Rajoelina omaly. Nijery ifotony ny toerana hanatanterahana izany izay eny Ambohijafy-Toamasina izy sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly. Hanomboka ny fanorenana trano 8 volana aty aorian’ny nahazoana ny fitondrana. Mbola ankamantatra kosa ny fahavitany sy ny fomba hizarana azy.

MANOMBOKA TSY MINO INTSONY

 

Manomboka efa tsy mino an-dRajoelina intsony i Toamasina. Be loatra ny fampanantenana nataony tamin'io tanàna io kanefa zara raha nisy nanomboka ny asa, nijanona teo amin'ny fametrahana vato fototra ny ankamaroany. Raha nitsidika ny toerana lazainy fa hametrahana ny building ny filoha dia nihomehezan'ny olona fotsiny sisa tany anaty tambajotra sosialy. Tsy ho tontosa mihitsy izany Toamasina ho Miami izany. Takonana amin'ny fety fotsiny ny tsy fahavitan-javatra, izay hatrany no fika.

FIFANARAHANA EFA TAMIN”NY 2016

 

Fifanaraham-piaraha-miasa izay efa nosoniavina tamin'ny taona 2016 ny fanamboarana ny lakandranon'i Pangalana. Diso tanteraka ny filazana fa miasa avy hatrany ny fitondrana satria raha ny marina dia fitohizam-pahefana no misy ary ezaky ny fitondrana teo aloha no ialokalofan'ny fitondrana tia sehoseho ankehitriny. Toa izany koa ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra izay efa voasonia tany aloha ary tontosaina fotsiny ankehitriny.


 

 

 

 

 

ARETIN-KIBO

 

Mirongatra indray ny aretin-kibo mpahazo ny zazakely. Feno izany eny amin'ny hopitaly mpitsabo ny reny sy ny zaza. Raha ny fanazavana azo dia ny fiovàn'ny toetry ny andro izay mizotra any amin'ny lohataona ankehitriny no mahatonga izany. Manodidina ny  zaza fito isan'andro no miditra hopitaly noho io aretin-kibo io. Sady tsy mety mihinan-kanina ireo zaza no mivalana sy mandoa, izay no fisehon'ny aretina. Betsaka no atao "sondes" mba hampidirana sakafo, vokatr'izany.

MAMETRAKA FEPETRA NY RMDM

 

Na ireo mpikambana tao amin'ny rodoben'ny mpanohitra (Rmdm) aza tsy nahalala hoe ilay sekretera jeneralin'ny kaominina no atolotry ny Tim ho kandida ben'ny tanana hoy izy ireo. Mametraka fepetra arak'izany ny Rmdm fa raha  toa ka manantanteraka ny fanorenana ifotony ity kandida ity izay vao hanohana azy izy ireo. Raha tsy izany dia tsy hanohana an'ilay kandida Tim ny rmdm na dia efa samy ao amin'ny fanoherana aza.

 

PAIKADY POLITIKA

 

Paik'ady politikan'ny filoha Ravalomanana mihitsy no tsy nilatsaka ho fidiana ben'ny tanàna na dia efa niandry mafy aza ireo mpanara-dia azy. Manomboka mizarazara anefa ny hevitr'ireo mpiara dia aminy izay gaga tamin'ilay olona narotsaka kandida. Asa toy ny ahoana no handaminany sain'ireo mpiara-dia aminy amin'izao izay efa manomboka mivaky noho iny fanapahan-kevitra iny.

AMBANY TETEZANA MANGARIVOTRA


Lasa toerana famoizam-po ho an'ny olona sahiràna ao ambany tetezana ao Mangarivotra-Toamasina. Mitovy tanteraka amin'ny tetezan'i Tanjombato eto an-drenivohitra izany raha jerena amin'io lafiny io. Omaly maraina dia nisy rangahy izay hita faty niantona tamin'ny tady ny tenany. Teo am-povoan'ny fako izy no nisy nahita ary efa tsy nisy aina intsony. Matetika mitranga ny toa izao raha araka ny fanazavan'ny mponina eo an-toerana.



 

 

 

 

MIANKINA AMIN’NY HCC

 

Miankina amin'ny Hcc ny momba an'ireo kaominina roa ao Ambatondrazaka izay tsy manana kandida lisitra ho mpanolon-tsaina. Raha ny tombana, mety hatao andro hafa ny fifidianana mpanolon-tsaina ao amin'ireo kaominina ireo satria tsy mety ho amin'ny rafitry ny kaominina iray ny tsy fisiana mpanolon-tsaina, raha ny fanazavana teo anivon'ny Ceni. Sambany teo amin'ny tantaran'ny firenena no nisy fifidianana toa izany, ny kandidà indray no tsy misy.

 

VOKA-PANADINANA BEPC

Hanomboka anio alatsinainy ny fampidirana ny naotin’ny mpiadina BEPC ao  anaty solosaina, arahin’ny fanamarinana. Any amin’ny faran’ny herinandro ambony any no hivoaka ny voka-panadinana BEPC ho an’ny Cisco Antananarivo Renivohitra

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana