Politique
Maitre Olala “Tanteraho ny zavatra nampanantenaina e !”
23/09/2019
“Amin’ny ankapobeny dia mitady hikezaka ny fitondrana. Mitady ho tia azy ireo aho.
Mitady hanaraka fa mety ny fitantanana kanefa rehefa atonina akaiky dia ilay fanatanterahana asa no mampihemotra.”hoy i Willy Razafinjatovo na Maitre Olala raha nanontaniana ny heviny mahakasika ny sivy volana nitondran’ny filoha Rajoelina. Tsy hiverina ny fanantenana raha toy izao ny fanapahan-kevitra, hoy izy. Ohatra ny resaka mpanao gazety sy angidimby, inona no hisakanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra tsy hamoaka ny sata mifehy azy ? Ny famoahana sata dia lazaina fa manala baraka satria teny Mahamasina ilay elikaoptera, hoy ity mpisolovava ity. Tsara ho fantatra fa ny angidimby dia taty aorian’ny fandalovan’ireo sinoa izay saika hijery manokana ny fanamboarana ny kianjan’i Mahamasina. Avy eo, namoaka fampitam-baovao ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ka izay no nanararaoatany nanaovana ny fitoriana. Tsy nisy fangatahana nataon’izy ireo fa tonga dia nandeha fotsiny tamin’izao. Midika izany fa fanaovana tsinontsinona sy tsy fahalalam-pomba, hoy ny Maitre Olala. Amin’ny saina tsy miangatra, hoy izy, saingy tsy midika hoe tsy tiako ny miaramila satria izy ireo no miaro ny tanindrazako fa tsy tiako kosa ny fanapahan-kevitra satria ve mpikambana eo anivon’ny governamanta iray tsy manara-dalàna dia izy mangalatra ketsa tahaka ilay gisa lahy no avo vava ? Izy tsy manara-dalàna sy manitsakitsaka ny sata mifehy ny tanànan’Antananarivo izy indray no mitory. Tsy mety ireny ary raha tsy nisy saina hafahafa, maninona raha natao ny « démenti » satria izany no zony ? Amiko fanaovana zavatra tahaka ireny dia mampihemotra fitiavana sady mampangatsiaka ahy amin’ny saina nahafahana mankatia sy amin’ny zavatra tiany hatao. Nohamafisiny kosa fa ireo fampanantenana rehetra dia toa ny asa nation-dRajaonarimampianina no tohizana fotsiny dia mitokana izany fotsiny ny filoham-pirenena. Ireo tena fampanantenana natao nandritra ny fampielezan-kevitra dia tsy mbola hita loko loatra ary raha manana ny marina dia tsy tokony mihemotra fa kosa raha nahatsapa tena fa diso dia mila mahay mifona, hoy i Willy Razafinjatovo.
Marigny A.