Dans la mme rubrique

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

15/11/2019

Mifarana anio zoma 15 novambra 2019 ny sazy nomen’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpisolovava ho an’ny mpahay lalàna,

Maitre Olala “Salama saina tsara aho ary hiverina hiasa.”

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

15/11/2019

Nahazo famatsiam-bola 26 tapitrisa euros (104 miliara ariary) avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny governemanta Malagasy, izay haompana amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny herinaratra.

Tontolon’ny herinaratra Nanome 26 tapitrisa Euros ny Eoropeanina

Hamaky ny tohiny...

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

14/11/2019

Mitalaho sy mandadilady na manana ny rariny aza ny vahoaka tompon’ny tany eo anatrehan’ny raharaha Ambohitrimanjaka.

Ho sahirana ny fanjakana Miha-mafy ny fanoherana ny Tanà-Masoandro

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

14/11/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Koots Food Mahamasina ny fijoroan’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Ministeran’ny Vola (SMMV).

Minisiteran’ny Vola Tafatsangana ny Sendikan’ny mpiasa

Hamaky ny tohiny...

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

13/11/2019

Mpianatra ho manamboninahitra mpanamory fiaramanidina Antsoina hoe Rakotoson Mamimaherimanana Andrianina, 33 taona anisan’ireo afa-panadinana ho mpanamory no namoy ny ainy.

ACMIL Antsirabe Mampiahiahy ny nahafaty ilay mpanamory…

Hamaky ny tohiny...

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

13/11/2019

Miasa ny vola rehefa vanim-potoan’ny fifidianana toy izao ary tsy azo ihodivirana.

Vola sandoka Mirongatra rehefa misy fifidianana

Hamaky ny tohiny...

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

13/11/2019

Nisongadina indray ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona, indrindra ho an’ny ankizy sy ny mahakasika ny vehivavy.

Fiarovana ny zon’olombelona Ratsy toerana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Kariera Bekisopa Tafiditry ny politika maloto

27/09/2019

Niakatra eto Antananarivo ary mitaraina ireo mpitrandraka madinika noho ny afitsoky ny andian’olona milaza ho avy amin’ny fitondram-panjakana miaraka tamin’ny polim-pirenena misahana ny harena ankibon’ny tany.

 

Fianakaviana miisa 100 no lasibatra ary tsy avelan’izy ireo hikofoka rehefa avy nalaina sy nogiazan’izy ireo ny vato milanja 800 kilao eo ho eo. Nanantitrantitra anefa ireto solontenan’ny mpitrandraka niaraka tamin’ny mpisolovava fa manana ny fahazoan-dalana ara-dalàna ny mpandraharaha miasa amin’io kariera ao Bekisopa io ary nasehon’izy ireo mihitsy ny antontan-taratasy rehetra  omaly tetsy amin’ny Hotely Solimotel Anosy. Ireo olona nanapa-pahefana ireo anefa tsy mba nampiseho taratasy akory naka ny vato voangon’ireo mpitrandraka fa nanao an-ditra ary tsy manara-dalàna satria tamin’ny andro alina no nanatanteraka ny fombafombany. Ankoatr’izay dia milaza fa iraky ny fitondrana ary nanery hamoha ny magazay nangalana ireo vato. Ny mahagaga ihany koa dia ny zandary no nanao ny taratasy PV kanefa tokony ho ny mpiasan’ny harena ankibon’ny tany no nanatanteaka izany. Amin’izao fotoana izao aza moa dia nolazain’izy ireo fa 548 Kg monja ny vato nogiazana kanefa 800 Kg no nalain’ireo tao amin’ny magazay araka ny fanambaran’ireo mpitrandraka avy any Bekisopa ireto. Tsikaritra mihitsy tao ho ao fa efa misy andian’olona milaza ho avy amin’ny fitondrana manatanteraka izany asa izany, indrindra rehefa mahare fa misy vokatra avy amina kariera ary dia manao tsindry hazo lena ireo mpandraharaha sy mpitrandraka madinika. Miantso ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny fanjakana izy ireo satria fianakaviana maro no mivelona amin’ity kariera any Bekisopa ity.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana