Dans la mme rubrique

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

20/02/2020

Anisan’ireo fifanekem-pandaharan’asa (contrat programme) nataon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina tamin’ny filoham-pirenena ny famerenana ny vaky boky any an-dakilasy.

Famerenan-danja ny vaky boky Tafiditra ao anatin’ny «fanekem-pandaharan’asa»

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

20/02/2020

Nesorina tamin’ny toerany araka ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra natao ny 13 febroary lasa teo ny tale misahana ny “Regulation des Medias”

Tontolon’ny haino aman-jery Onjam-peo maro no mety hakaton’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

20/02/2020

Mpiasam-panjakana ambony miisa 2 izay heverina fa hitazona toerana tena saropady eto amin’ny firenena no voatendry nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 19 febroary.

Fitsarana sy Fanabeazam-pirenena Voatendry ireo sekretera jeneraly vaovao

Hamaky ny tohiny...

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

20/02/2020

Miantso ny tompon’andraikitra rehetra eto an-tanàna mba hijery akaky ny fako etsy amin’ny Paraky Soanierana fa efa tsy rariny intsony.

Paraky-Soanierana Maloto sy maimbo tanteraka ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

19/02/2020

Mitaraina ho tsy mbola nahazo karama volana janoary ny mpiasa amin’izao fotoana. « Very fanahy mbola velona izahay mpiasa ato amin’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériel Didactique),

Mpiasan’ny CNAPMAD Hatramin’izao tsy azo ny karama janoary

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tandroharena Tsy mety ny « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana

19/02/2020

Nanambara ny avy eo anivon’ny Tandroharena na fikambanan’ireo mpikaroka momba ny vakoka sy lova ary harem-pirenena fa voasokajy ho anisan’ny vakoka ny rovan’i Manjakamiadana.

Fikambanana Tandroharena Tsy mety ny « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana

Hamaky ny tohiny...

Tany 60 000 ha any Bas-Mangoky “Ahiana ho lasan’ny Arabo tahaka ny any Serbie”

19/02/2020

Mitohy ny ahiahy amin’ny fanomezana 60 000Ha hampisain’ny orinasa Arabo Emirate Elite Agro LLC,

Tany 60 000 ha any Bas-Mangoky “Ahiana ho lasan’ny Arabo tahaka ny any Serbie”

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Orinasa Jirama Ny Tetezamita no tena namotika azy

30/09/2019

Misokatra ny fandraisana ny dosie sy antontan-taratasy ho an’ireo maniry ny Tale Jeneraly sy Tale Jeneraly lefitra ho an’ny orinasam-panjakana JIRAMA.

 

 

 

 Manana hatramin’ny 11 oktobra izao ireo mpifaninana amin’izany, ka ny Cabinet SGG Kanadianina no miandraikitra izany. Andrasana izay ho fivoarana eo amin’ny resaka jiro sy rano eto amintsika izay tena mampikolay ny vahoaka. Mandeha ireo ambara fa tetikasa hoenti-mamaha ny olan’ny rano, izay irariana mba tena hisy vokany azo tsapain-tanana. Tsiahivina hatrany fa mahatratra hatrany amin’ny 1600miliara ariary ny fantiantoky ny Jirama, izay eo am-pikarohana ny fomba hanarenana izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny namotika an’io ny mpitondra ankehitriny, izay nitantana tamin’ny andron’ny tetezamita. Nisy olona matretre mbola akaiky ny fitondrana aza nanana dosie maloto teny amin’ny Bianco mihitsy momba io resaka Jirama io, saingy tsy fantatra izay niafaran’ny raharaha. Isan’izany ny afera mitetina 80.000.000.000Ar na 17.000.000 Euros, saingy nangina tsy nisy tohiny intsony.  Nihazakazahana, toy ny fanaovana vary mora sy menaka mora ny fampidinana 10% ny saran’ny herinaratra tamin’ny tetezamita, kinanjo izao no niafarany. Toa nanjakan’ny kibizibizina sy ny afera ny fitantanana tetsy an-kilany, hany ka niha potika sy nitotongana tsikelikely ny Jirama.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana