Dans la mme rubrique

Rano fisotro azo antoka Mitady hanahirana

20/11/2019

Ny rano atolotry ny Jirama efa iaraha-mahita fa na toy ny lokon-dranom-boamadilo na mandroatra be.

Rano fisotro azo antoka Mitady hanahirana

Hamaky ny tohiny...

Fanajana ny zon’ny ankizy 2 tapitrisa mahery ireo tsy manan-tsiny tokony havotana

20/11/2019

Mbola goragora tanteraka ny fampiharana sy fanajana ny zon’ny ankizy eto amintsika.

Fanajana ny zon’ny ankizy 2 tapitrisa mahery ireo tsy manan-tsiny tokony havotana

Hamaky ny tohiny...

Fahaleovantena ara-tsakafo 100 000 Ha no hohajariana

18/11/2019

“Tsy maintsy tratrarina ny tanjona amin`ny fahavitan-tena ara-tsakafo”, hoy ny filoha Rajoelina, nandritra ny fanamarihana ny taom-pambolem-bary 2019-2020 tany Sarobaratra Ifanja faritra Itasy.

Fahaleovantena ara-tsakafo 100 000 Ha no hohajariana

Hamaky ny tohiny...

Fanotofana bontolo an’Ambohitrimanjaka Hisy voka-dratsy tsy voafaritra ho an’ny fanjakana

18/11/2019

Hisy voka-dratsy tsy voafaritra ho an’ny fanjakana repoblikanina ny fanotofana bontolo an’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina,

Fanotofana bontolo an’Ambohitrimanjaka Hisy voka-dratsy tsy voafaritra ho an’ny fanjakana

Hamaky ny tohiny...

Digy Fenoarivo Ny antsasak’ireo andrin-jiro sisa no mirehitra…

18/11/2019

Ny antsasak’ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 167 napetraka eny amin’ny digy mihazo an’i Fenoarivo sisa ankehitriny no mirehitra ara-dalàna, fotodrafitrasa napetraka tamin’ny taona 2016. Ny ankoatra izay dia very sy maty avokoa.

Digy Fenoarivo Ny antsasak’ireo andrin-jiro sisa no mirehitra…

Hamaky ny tohiny...

Bemasoandro Itaosy Trano iray may kila vokatry ny fandrehetana labozia

18/11/2019

Toy ny faritra rehetra dia misedra fahatapahan-jiro matetika ihany koa ny eny Bemasoandro Itaosy eny.

Bemasoandro Itaosy Trano iray may kila vokatry ny fandrehetana labozia

Hamaky ny tohiny...

Zotra nasionaly Mitokona ireo taksibrosin’ny RN1, RN4, RN6

15/11/2019

Nitokona ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly mihazo ny lalam-pirenena voalohany, faha-4, ary faha-6 omaly, ka nivoaka ivelan’ny toby fiantsonana tetsy amin’ny Gara Maki Andohatapenaka.

Zotra nasionaly Mitokona ireo taksibrosin’ny RN1, RN4, RN6

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Gidragidran’ny Tanà-Masoandro Lasa resaky ny moana sy marenina

02/10/2019

Adihevitra tsy mety vita ary mbola hitohy ny mahakasika ny tetikasa « Tanà-Masoandro »,

hisiana fanotofana tany lehibe eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina. Tsy misy tetikasa sy vinam-pampandrosoana ratsy izany, ary tena zava-dehibe ilain’Antananarivo amin’izao fotoana izao ny fanitarana ny renivohitra. “Zone résidentielle, industrielle commerciale sy administrative kasaina haorina amin'ny velarana 1000Ha, mety handray mponina hatramin'ny 350 000 », ambara fa hitazona ny 42% amin’ny harin-karena eto Madagasikara. Ny olana mipetraka kosa dia ny fanotorana tany, izay mahatonga ny olona hitroatra. Tsy ampy fandresen-dahatra sy serasera ary fandalinana lalina ny fanjakana Rajoelina amin’io. Toa any amin’ny tetikasa teo aloha indray aza no handaniana ron-doha hoe nahoana tamin’ny fanamboaran-dalana, toy ny “Rocade” no tsy nanohitra ny olona. Mifandraika betsaka amin’ny soatoavina Malagasy ny resaka tany ka marary ny olona. Ny tany Soamahamanina aza tsy tanimbary fa havoana lohasaha no notrongisin’ny sinoa, saingy nitsahatra tanteraka. Ny olon’ny fitondrana ankehitriny dia anisan’ny niady mafy ny hampitsaharana izany. Mitentina 2575 miliara ariary na 650 tapitrisa dolara ny «cœur du projet », izay nambara tany aloha fa 370Ha eo. Ankehitriny mihena ho 100Ha indray no hatao aloha. 380.000Ar isaky ny m2 ary 250Euros raha « zone résidentielle », ka 120 000Ar ny tomban'ny « viabilisation » ao anatin’ny tombam-bidin’ny fanorenana.
Any amin’ny fanotorana no toa mahamaika ny fanjakana fa izay hamatsy vola mbola baraingo. Volam-panjakana sa volan’iza ? Tsy maintsy miainga amin’ny 3P (Partenariat Public Privé) ny famatsiam-bola fa tsy volam-panjakana. Inona no tambin’izay ? Tsy tena mazava ny bokin’andraikitra sy ny ho tombontsoan’ny olona ao anatin’io. Zary milentika ao an-tsain’ny maro ny hoe: natao ho an’ny vahiny sy ny manan-katao io fa tsy ho an’ny sarambabem-bahoaka. Raha ny tantara no zohiana, efa tamin’ny andron’ny faha mpanjaka no nanajariana iny lemak’i Betsimitatatra andrefan’Antananarivo iny hisorohana amin’ny tondra-drano eto Antananarivo. Rano mahatratra 15.000.000 m2 no angoniny tsy hahatondraka ny tanàna. Efa voadinika lalina ve izany ? Tena tsy maintsy eny ve no hanatanterahana azy ? Lasa resaky ny moana sy ny marenina ny raharaha.

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana