Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Alarobia Antanamalaza Niara-nalevina noho ny fahatapahana lalandra ireo mpivady

03/10/2019

Fadiranovana ireo zanaky ny mpivady izay niara-maty. Tsy zakan’ilay renim-pianakaviana ny fahafatesan’ny vadiny izay tapaka lalandra.

 

Nitambotsotra izy, niakatra tampoka ny tosidrany ka maty teo koa izy. Tamin’ny alarobia heriny no nitranga ny loza roa sosona, tany Antanamalaza, anelanelan’ny kaominina Alatsinainy Bakaro sy Antsampandrano. Teo am-pisakafoana tamin’ny fahoriana ireo mpiray monina no nahare fa maty koa ramatoa.

Nilaza ny mpikabary taorian’ny nametrahan’ireo mpiray tanana sotro tao an-tsehatra fa ahemotra indray ny fandevenana. Tsy atao io alarobia io satria vao maty teo indray ny andefimandrin-dratompokolahy. Fahatairana ho an’ireo fokonolona tanteraka izany”, hoy ny renim-pianakaviana iray izay avy niatsena teny Alarobia Antanamalaza. Zary nampitera-kovitra tao an-tsena io. Voalazan’ny mpitsabo tany an-toerana fa samy fiakarana tosidra tampoka no nahafaty azy mivady.

Ilay raim-pianakaviana efa tapaka lalandra herinandro mahery mialoha, mba efa nialana nenina fa tsy tana ny ainy. Ity vadiny kosa nisento tokana, tratran’ny fahafatesana tampoka. Raha ny antontanisan’ny Institut Pasteur Avaradoha, anisan’ny mitana lohalaharan’ny taham-pahafatesan’ny Malagasy ity fahatapahana lalandra ity. Ankoatra ny olana ara-tsakafo, heverina ianjadian’ny adin-tsaina noho ny fahasahiranana lalina ny vahoaka Malagasy ka miafara amin’io fiakarana tosidra mahery vaika io.

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana