Actualités
Lehibeny notebahana ampahibemaso Malahelo ny polisim-pirenena…
11/10/2019
Izaho tsy te handre intsony ny fitarainan’ny olona fa aleo jerena ! Be loatra ny fitarainana fa ny anjarantsika dia manamora sy manitsy rehefa feno ny taratasiny.
Tsy tokony hisy intsony fitarainana satria be loatra izany. Mila hatsaraina ny kalitaon’ny asa. Matetika tazonina ela loatra. Tsy tokony hampiandrasina elabe ny olona. Hafa ny hoe olona tena karohina. Izaho tsy te handre intsony resaka kolikoly fa be loatra ny fitarainana. Zavatra hafa raha olona hiasa any amin’ny firenena tsy azo antoka, fa hafa ireo olona efa manana “Visa”. Ny sasantsasany amintsika dia mbola maka vola amin’ireo olona, ka mba aoka izay izany toe-javatra izany ». Ampahany tamin’ny tenin’ny filoham-pirenena ireo, raha nanome toromarika ireo polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alatsinainy 7 oktobra teo. Tokony handray fepetra hentitra isika, hoy izy, mantsy ny minisitry ny filaminana anatiny. Polisy no mampijaly ny olona atsy ambadika atsy kanefa polisy ihany koa no mandray ny laharana maitso, hoy izy. Tsy tokony ho tezitra ianareo raha misy maka ny “numéro matricule” ary tsy tokony hisy ny fifampiarovana. Manomboka miakatra ny ngonongonona ao amin'ny polisy ao manoloana iny toe-javatra iny. Nahoana izahay no toa henjehina foana ary alefa mivantana ho hitam-bahoaka amin’ny tambajotran-tserasera ny fibedesana ny polisy ? Ilaina ny fanatsarana sy ny toromarika fa tsy levon’ny vavonin’izy ireo ny karazana tsindry atao amin’ny asany, izay manome vahana ny olona sasany tsy hanara-dalàna. Tsy vao izao fa efa maro ny toe-javatra nahatsapana fitanilana toy ny nilazana fa kolikoly no nampitsaharana ny PR (Police Routière), fiara nomena ny mpitandro filaminana izay mandeha latsantsy mandany hatrany amin’ny 20L isaky ny 100km ny an’ny polisy, tambin-karama tamin’ny matso 26 jona tsy naloa ara-potoana,…
Toky R