Dans la mme rubrique

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

06/12/2019

Dimy taona sazy mihatra ao Tsiafahy ary lamandy roa miliara ariary. Izay no sazy azon’i Eddy Maminirina na « Eddy Boaderozy » noho ny aferana boaderozy anenjehana azy.

Eddy Boaderozy Gadra 5 taona, lamandy 2 miliara

Hamaky ny tohiny...

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

06/12/2019

Olona enina narary mafy, saika tsy avotra raha tsy naiditra hopitaly, efa nakaton’ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra hani-masaka teny Ambolokandrina.

Fanapoizinana ara-tsakafo Mpanjifa enina saika matin’ny maiônezy

Hamaky ny tohiny...

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

04/12/2019

May kila forehitra ny ampahany amin’ny tranombarotra goavana Galerie Mialy etsy Behoririka ampitan’ny mpaninjara solika Shell omaly hariva.

Afo be teny Behoririka Nirehitra ny Galerie Mialy

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

04/12/2019

Anisan’ny antony nampiatoana ny fanadinana teo anivon’ny sekoly ambony mampiofana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha (ENMG) ny fisiana endrika kolikoly ka nandraisana fepetra fampiatoana ny fanadinana.

Ady amin’ny aferafera sy kolikoly Miandry didim-panjakana vao miverina ny ENMG

Hamaky ny tohiny...

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

04/12/2019

Anisan’ireo olana maro amin’ireo voafonja eto amintsika ny fitazomana am-ponja vonjimaika ary maro no tsy ara-dalàna.

Fitazonana am-ponja tsy ara-dalàna Tranga 47 no hita taorian’ny fitsidihan’ny filoham-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

04/12/2019

Manara-maso ny polisim-pirenena eto Madagasikara ny « Inspection Générale de la Police Nationale » (IGPN).

Polisy manao kolikoly Tsy maintsy atao famotorana na be grady aza

Hamaky ny tohiny...

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

04/12/2019

Ny 1 600 amin’ireo mpiadina 10 646 nandritra ny fifaninanana hidirana ho mpianatra zandary andiany voalohany tamin’ny 23 sy 24 novambra lasa teo no horaisina hiatrika ny dingana faharoa.

Jeneraly Njato Andriajanaka Mampitandrina ireo zandary zatra kolikoly

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Dama Mahaleo « Ambany ny Moralinay »

11/10/2019

Noho ny fitsinjovana ny fahasalaman’i Fafah, izay andry fototry ny tarika Mahaleo amin’ny lafiny feo,

 

 dia tsy hiakatra an-tsehatra izy amin’ny alahady izao izay hanatanterahana ny seho farany ataon’ny tarika amin’ity taona ity. Nanambara i Dama omaly tetsy amin’ny Skate Park Antanimena nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety fa ambany ny « morale » saingy antenain’izy ireo ny fanohanan’ireo mpankafy hatrizay ny tarika amin’izao vanim-potoana mafy lalovan’izy ireo izao. Ho amin’ny alahady izao dia i Ony avy ao amin’ny tarika Zandry Gasy izay mpankafy sady manana ny angolam-peon’I Fafah no hanatevina ny tarika eny an-tsehatra, araka ny fanambaran’i Dama. Tsiahivina fa fahasemporana noho ny toetr'andro manorana tampoka tany Antsirabe nandritra ny fampisehoana tamin’ny farany no nanjo an'i Fafah kanefa izy mihitsy no nangataka mba hiverina an-tsehatra eto Antananarivo. Hentitra ihany koa i Dama nilaza fa tsy marina ireo tsaho sy feo haely milaza fa atao fitaovana fitadiavam-bolan’ny tarika ny aretin’i Fafah.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana