Edito
Miakatra ny maripana !
17/10/2019
Manomboka miverina eo ambony latabatra politika ny resaka lalà na momba ny fanoherana, saika isan’andro ny firesahana ny raharaha Ambohitrimanjaka,
miakatra ny maripana amin’ny olana ara-tsosialy toy ny tsy fisian-drano saika manerana ny tanàna,… Toa tsy hitan’ny fanjakana izay ho raisina, ka zaran’ny filoha aza mba misy hevitra hametrahana vatofehizoro sy mandeha mitety faritra satria mety madilo ny sofiny. Sady fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana vita ho azy ! Efa niditra an-tsehatra nandamin-dresaka tamin’ny raharaha Ambohitrimanjaka, saingy vao mainka nirehitra ny afo. Ireo olon’ny fitondrana koa moa toa tsy mahatafavoaka baolina amin’ny serasera sy fandresen-dahatra ny vahoaka fa toa samy hafa ny haloaky ny vavan’ireo iraky ny fanjakana hiteny etsy sy eroa. Tsapa sy miharihary indraindray, fa tena lasa alohan’ny omby mihitsy ny sarety rehefa miheno ny fanazavan’ny tompon’andraikitra sasany. Etsy ankilany anefa, dia toa miezaka mampiseho fahatokisan-tena sy mbola sahy manao vava be ihany ny filoham-pirenena indraindray. Misy mambosika sy manao tatitra vilana ve ka milaza fa mandeha amin’ny laoniny tsy misy hokianina ny zava-drehetra ka afaka mizesta ny fanjakana ? Miakatra anefa ny maripana, ka raha nifototra tamin’ny lafiny ara-tsosialy sy soatoavina hoe tanimbary sy tanindrazana izay sarobidy indrindra, dia mitsangana ihany koa ireo ambara fa taranaky ny mpanjaka milaza fa tsy mety io, mijoro mitondra ny heviny ny manam-pahaizana miteny fa hitera-doza toy ny tondra-drano ho an’Antananarivo io,… Toa ginagina sy lany bala ny olom-panjakana, ka ny amboletra sisa mety ho ady eo !
Toky R