Dans la męme rubrique

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

06/12/2019

“Ndao !!! Sabotsy 7 desambra amin’ny 11 ora eny amin’ny arabe akaiky antsika no fotoana. Ento ny vilany, ny bidons jaunes, ary ny banderoles hanehoantsika fa tsy faly isika. Ampy izay !”.

Fleury Rakotomalala Miantso ny Malagasy higrevy….

Hamaky ny tohiny...

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

06/12/2019

« Ny rariny sy ny hitsiny no tokony hapetraka, raha efa nisy hatry ny fahagola ireo nosy dia tsy ilana adihevitra akory ny maha Madagasikara azy.

Nosy manodidina « Iles éparses » Tsy ilana adihevitra fa an’i Madagasikara, hoy ny Andriana Robert

Hamaky ny tohiny...

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

06/12/2019

Tsy afaka tsy hiresaka ny manodidina ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina isika satria mivoatra ny vaovao.

Fahamarinana amin’ny fifidianana Tsy raharahan’ny antoko TIM irery intsony

Hamaky ny tohiny...

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

06/12/2019

Tsy misy ampahafolon'ny tambin-karama azon'ireo mpitsara no omena ny mpiraki-draharaha niantsoroka ny fifidianana kanefa samy manao ny asa fikirakirana ny hahatomombana izany.

Ankilabao taorian’ny fifidianana Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana

Hamaky ny tohiny...

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

06/12/2019

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidianana nifanesy,

RMDM “Foano any fa feno hosoka ny fifidianana”

Hamaky ny tohiny...

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalĂ na no hahafahana mampandroso ny firenena

06/12/2019

Ny fanjakana tan-dalàna ihany, hoy i Chandoutis Raoera, directeur des études eo anivon’ny sekoly ambony ESD no hahafahana mampandroso ny firenena.

Chandoutis Raoera Ny fanjakana tan-dalĂ na no hahafahana mampandroso ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

04/12/2019

Mila mailo, mailo, mailo amin’ny frantsay isika malagasy, hoy ny antoko politika Teza, mikasika ny fomba hitakiana ireo nosy malagasy na Iles éparses.

Antoko Teza « Mila mailo, amin’ny frantsay isika ! »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiarahamonim-pirenena ROHY Mila manamafy ny serasera ny fitondrana

24/10/2019

«Atao ampy sy matotra ny serasera, ny fifampidinihina ary ny fampandraisana anjara ny olona eny ifotony.

 

 

 

Tsy ampy ny fampahafantarana amin’ny mponina voakasika mivantana amin’ny tetikasa Tanà-Masoandro mba ialana amin’ny savorovoro samihafa», hoy Raharindranto Rakotomalala mpikambana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena Rohy omaly. Taorian’ny fifandonana nisy teo amin’ny mponina ao Ambohitrimanjaka sy ny manodidina niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana ny herinandro teo dia hita fa maro ireo teboka tsy mazava. Araka ny nambarany, mila zaraina ho mangarahara amin’ny besinimaro ny antontam-baovao sy ny drafitra isan-karazany manazava tsara ny tiana hatao sy ny mampitombina ny tetikasa Tana-Masoandro na ara-teknika, na ara-tsosialy sy ekonomika na ara-tontolo iainana. Lazaina fa misy ireo, kanefa sady tsy ananan’ny maro no tsy nohazavaina amin’ny mponina. Sarotra noho izany ny mifampiresaka satria tsy fantatry ny tompon-tany sy ny tompon-trano ary ny manodidina mazava tsara ny hatao, ny vokany, ny fiantraikany ary ireo olona izay hahazo tombontsoa amin'ilay tetikasa. Manaja tanteraka ny zon’olombelona, ny zo fitompoana fananana izay arovan’ny Lalàmpanorenana araka ny andininy faha-34, ary ny zo hahalala ny vaovao (And. faha-11 ny Lalàmpanorenana) indrindra fa mahakasika ny fiainan’ireo voakasiky ny tetikasa mivantana na an-kolaka. Mino sy manantena ny Rohy fa ny Malagasy sy ny tompon’andraikitra, na inona na inona firehana ara-politika sy tsy fitoviana ara-kevitra, dia liam-pandrosoana ka afaka hifampiresaka sy hifandresy lahatra am-pitoniana. Manamafy sy manambara fa hanohy hanaraka akaiky ny zava-misy ary vonona hanamora ny fifampiresahana;

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana