Actualités
FAFAH MAHALEO Nosalorana ny « grand officier de l’ordre national »
24/10/2019
Misaona tanteraka ny tontolon’ny zava-kanto Malagasy. Endrika malahelo no hita teny amin’ny rehetra omaly nandritra ny
fandalovan’ny vatana mangatsiakan’i Fafah Mahaleo tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina taorian’ny nitondrana azy tao amin’ny fiangonana Tranovato Faravohitra. Ora roa teo no nijanona tao an-toerana ny razana niredonan’ireo mpiara-mihira taminy ireo hira nahafantarana ny tarika Mahaleo hatramin’izay ankoatra ireo efa vita teny Andohalo izay saika tsy nifarana raha tsy omaly tamin’ny 4 ora maraina na dia avy be aza ny ranon’orana. Nambaran’i Bekoto tamin’izany fa toy ny tenany no nosilahina roa vantany vao namoy ny ainy i Fafah. Raha tany amin’ny avokavokany mantsy, hoy izy no tena notsaboina dia ny fon’Itompokolahy no nijanona tampoka ary in-dray mipi-maso no nitrangan’izany. Mbola nitomany ny lehilahy nandritra ny fotoana nifampiresahany tamin’ny mpanao gazety. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa mbola hijoro hatrany ny tarika. Hitohy hatrany ireo fihaonany amin’ny mpankafy. Na efa mihavitsy aza izy ireo dia hizara fito foana ny vola azony. Ho an’ireo efa tsy eo intsony, hoy izy dia ny vady aman-janany no handray izany. Notolorana ny mari-boninahitra Grand officier de l’ordre national moa Itompokolahy. Tany Rangaina Ilafy kosa no naterina ny nofo mangatsiakany.
Pati