Dans la mme rubrique

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

21/11/2019

Raikitra ny rombo tetsy Ambohimiandra teo amin’ny mpamily taksibe sy ny mpandeha.

ROMBO TENY AMBOHIMIANDRA

Hamaky ny tohiny...

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

20/11/2019

Anio no hanomboka ny fitsaràna ilay raharaha famonoana ho faty tamin'ny fomba feno habibiana ireo telo mianaka tao Imerintsiatosika.

VONO OLONA TENY IMERINTSIATOSIKA

Hamaky ny tohiny...

AMNESTY INTERNATIONAL

08/11/2019

Notehafan’ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International ny fidinan-dRajoelina nijery ny fonja.

AMNESTY INTERNATIONAL

Hamaky ny tohiny...

TSY MANAIKY PYLONE

06/11/2019

Mbola nanamafy ny fitokonana indray ireo mponina teny Ambohidraserika Mahazoarivo izay tsy manaiky ny hametrahana « pylône » an’ny Telma eo amin'ny tanàna.

TSY MANAIKY PYLONE

Hamaky ny tohiny...

JEAN LOUIS ROBINSON

31/10/2019

Voatendry ho masoivohon’i Madagasikara monina sy miasa any amin’ny repoblika entim-bahoakan’i Chine ny Dr Jean Louis Robinson.

JEAN LOUIS ROBINSON

Hamaky ny tohiny...

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

30/10/2019

Hamaly tsy ho ela ny governemanta, indrindra fa ny ministeran’ny angovo ny fikambanan’ny mpivarotra solika eto Madagasikara.

HAMALY BONTANA IREO MPIVAROTRA SOLIKA

Hamaky ny tohiny...

AFRIKANINA MPIVAROTRA RONGONY

29/10/2019

Teratany afrikana roa no nosamborina tetsy Faravohitra noho ny fanaovana trafikan-drongony avo lenta na « drogues dures ».

AFRIKANINA MPIVAROTRA RONGONY

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

OLON-DRATSY TAFIDITRA AMINA FIVORIANA

07/11/2019

Mbola tafiditry ny olon-dratsy hatrany ny fihaonana lehibe iraisam-pirenena toy izay nitranga nandritry ny fihaonan’ny sehatra tsy miankina afrikanina tetsy amin’ny CCI Ivato omaly.

 

Lasan’ny mpangalatra tsy fantatra ny kitapon’ny delegasiona sinoa izay isan’ny nandray anjara tamin’ny fihaonam-be. Vao lasa ny praiminisitra rehefa avy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny raharaha dia nosavaina ny olona tao. Henatra lehibe ho an’ny mpampiantrano ny toy izany ary nampidina avy hatrany ny lazan’i Madagasikara.


NAMONO TENA

Lehilahy iray no namono tena tao anatin’ny fanadihadiana izay nataon’ny polisy tany Ambanja. Nitondra antsy an-tsokosoko tao anatin’ny kitapony izy. Rehefa vita ny fanadihadiana azy ka azo heverina fa tsy afaka izy dia naleony notsindromina avy hatrany teny amin’ny fony ilay zava-maranitra. Nezahina navotàna ny ain’ilay lehilahy saingy nandamoka. Resaka fisolokiana lavanila iray taonina ny raharaha izay nahasaringotra azy. Nijanona hatreo izany ny fanenjehana azy. Tsy misy afa tsy izay ve ny fomba niarovana ny tenany ?

TARIKA NANAHARY

Nihena iray indray ny tarika ny Nanahary. Nodimandry omaly alarobia 06 novambra teo amin’ny faha-78 taonany i Jacques, faralahy amin’ny tarika. Eny amin’ny tranony eny Soavimasoandro ny razana ary mety hoentina eny amin’ny tranon-drazany eny Anosipatrana. Tamin’ny 26 jona 1941 no teraka ny lehilahy.


 

NAIDITRA AM-PONJA ILAY MPAMILY KAMIAO

Naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpamily kamiao izay nandona ka nahafaty zazavavikely mpianatra tetsy Tsaramasay. Maty tsy tsa-drano ilay zazakely izay avy nianatra ka nandeha an-tongotra hody raha hiverenana kely. Ny tranga toy itony dia mbola manaporofo hatrany fa tsy mety milamina ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ary mamono olona saika isan’andro. Mihakely hatrany ny làlana noho ny fisian’ny mpivarotra an-tsisin-dàlana moa ny fiara koa tsy mitsaha-mitombo. Mikorontana tanteraka ary lasa mamono olona.

MANAMBITAMBY VAHOAKA

Mitohy hatrany ny fanaon’ny filoha Rajoelina manambitamby amin’ny fitaovana kely na sakafo kelytoy ny nitranga omaly tetsy Ambodirano Ampefiloha ary nandraisany an-tànana ny fitaovan-tsekolin’ny mpianatra sasany. Hatreto aloha dia tsy misy vahaolana maharitra fa izay tsirambin’ny tanana fotsiny. Ohatr’izany koa ny momba ireo voafonja vitsy izay nomena fahafahana kanefa misy an’arivony izay mila alefa amin’izay ny fitsarana azy ireo. Vahaolana manambitamby mba entina hisehosehoana fotsiny hatreto no tena mibahana amin’ny fitantànana ny firenena.



 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana