Sport
Basikety Malagasy Raikitra manomboka ny 16 novambra izao ny tetikasa Junior NBA
07/11/2019
Nampahafantarina tetsy amin’ny “Chambre de commerce” tetsy Antaninarenina omaly alarobia 06 novambra 2019 ny manodidina
an’ilay tetikasa basikety Junior NBA hampiharina eto Madagasikara mandritra ny 4 taona sy ny praograman’ny fifaninanana taona voalohany ary ny fizarana ny anarana ekipana NBA hoentin'ireo ekipam-pianarana nekena handray anjara amin’ny hetsika fifaninanana taona voalohany. Nambaran’ny filohan’ny tetikasa, Tsimbina Andraina notronin’ny filohan’ny Fmbb, Ramaroson Jean Michel, fa amin’ny sabotsy 16 novambra 2019 ho avy izao no fotoana hanokafana ofisialy an’ity tetikasa ity etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mamahasina ary koa hanombohana ofisialy ny fifaninanana andiany voalohany haharitra hatramin’ny volana martsa 2020. Ekipa zazalahy 13-16 taona miisa 30 araka ny isan’ny ekipan’ny NBA no handray anjra amin’izany ary ekipa zazavavy miisa 24. Marihana fa ankoatra ny fampiroboroboana ny basikety an-tsekoly ao anatin’ity tetikasa ity dia hisy ihany koa ny fanampiana ara-panabezana homena an’ireo ankizy misehatra azy toy ny fampianarana teny Anglisy, fampianarana fitendrena zava-maneno sy fanentanana an-kianja ary fampianarana fandihizana an-kianja ihany koa. Mahatratra 120 tapitra ariary ny tetibola hanombohana an’ity tetikasa ity.
Ntsoavina Evariste