Dans la mme rubrique

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

02/07/2020

Mihanaka ny tsimok’aretina covid-19. Efa tonga eny anivon’ny biraom-panjakana sy ministera eny amin’izao fotoana izao.

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

Hamaky ny tohiny...

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

02/07/2020

Misy zavatra diso tsy mifanaraka amin’ny tantara, ka aleo hitsiana dieny mbola velona aho, hoy ny Amiraly izay nanazava zavatra maro tamin’ny fandarahana nataony tamina fahitalavitra iray omaly alina. Isan’izany ny nilazany fa tsy nanana olana tamin’ny Kolonely Ratsimandrava, ary efa izy no noresahina voalohany handray ny fahefana saingy nolaviny.

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny ben’ny tanana Frankofonina Nanolotra arotava miisa 10.000 tao Toamasina

02/07/2020

Arotava fanasa miisa 10.000 no natolotry ny AIMF na ny fikambanana iraisam-pirenen’ireo ben’ny tanana amin’ny firenena miteny frantsay ho an’ny kaominin’I Toamasina omaly.

Fikambanan’ny ben’ny tanana Frankofonina Nanolotra arotava miisa 10.000 tao Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Filankevitry ny minisitra Nesorina ny Tale Jeneralin’ny APIPA

02/07/2020

Nisy omaly ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alalan’ny “visio conférence”. Ara-toekarena, dia nohamafisina ny fanalavana ny fandoavan-ketra ho an’ny sehatra afakaba, ny fizahantany,… T

Filankevitry ny minisitra Nesorina ny Tale Jeneralin’ny APIPA

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Hatsangana ny vaomiera mifandraika amin’ny HCJ

02/07/2020

Fandaharam-potoana tafiditra teo amin` ny Antenimieram-pirenen­a ny fametrahana solontenan` izy ireo eo amin` ny Fitsarana ambony (HCJ). In-droa nahemotra moa ny fananganana ny vaomiera misahana ny fampianganana eny amin`ny HCJ.

Antenimieram-pirenena Hatsangana ny vaomiera mifandraika amin’ny HCJ

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena « Mila fiovana mahery vaika ny fomba fitantanana”

02/07/2020

« Ekena sy tsapa ary ankasitrahina ny ezaka goavana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fitadiavana vahaolana hifehezana ny fiparitahan’ny tsimokaretina coronavirus », hoy ny birao nasionalin’ny VOIFIRAISANA/­PFNOSCM manoloana fiainam-pirenena.

Raharaham-pirenena « Mila fiovana mahery vaika ny fomba fitantanana”

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Mitaky 7 miliara ariary hanampiana ny tetibolany

01/07/2020

Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020.

Antenimierandoholona Mitaky 7 miliara ariary hanampiana ny tetibolany

Hamaky ny tohiny...


Politique

Paul Rabary “Aza atao kilalao ny fiainam-pirenena”

04/03/2020

Naneho ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena i Paul Rabary, minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha sy kandidà nilatsaka ho filoham-pirenena tamin’ny 2018.

 

 

 Nanaiky sy nanaraka ny fitsipika rehetra napetraka, nitandro ny fandaminana ary nanaiky sy nankato ny voka-pifidianana navoakan’nyCENI sy ny HCC dia gaga sy talanjona amin’ireny fanambarana hafahafa navoakan’ny tompon’andraikitra tao amin’ny CENI ireny, hoy izy. Aoka tsy horaisina ho kilalao ny fiainam-pirenena fa efa sahirana vao nahita fitoniana teto Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2009. Aoka tsy ny olona tompon’andraikitra sy natokisana hitantana ny fifidianana madio sy mangarahara no hamoa-tsampona ka hilaza fa ny fifidianana izay nokarakarainy dia tsy lavorary ary feno tandrevaka, hoy ihany i Paul Rabary. Nomarihany kosa fa fotoana angamba hanovana tanteraka ny olona sy ny fomba fiasa eo anivon’ny CENI izao satria dia manalabaraka ny firenena sy fanaovana tsinontsinona na ny mpifidy na ny mpilatsaka hofidiana ny zavatra sahala amin’ireny. Mila fitondrana marin-toerana ny firenena koa tokony ho mendrika ny fahatokisana napetraka taminy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny CENI, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana