Dans la mme rubrique

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny valanaretina, hafenina ny marina”

06/07/2020

Nivoaka tamin’ny fahanginany sy naneho ny heviny indray momba ny zava-misy eto amin’ny firenena indrindra fa ny fitantanana ny ady amin’ny Covid 19 ny filoha teo aloha

Marc Ravalomanana “Tsy voafehy ny valanaretina, hafenina ny marina”

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Misy depiote voan’ny Coronavirus

03/07/2020

Miaka-dapa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny valanaretina Covid-19 ary efa misy solombavambahoaka voa.

Antenimieram-pirenena Misy depiote voan’ny Coronavirus

Hamaky ny tohiny...

HCJ Feno ny fepetra hiasany…

03/07/2020

Ny Solombavambahoaka Tsabotokay Honoré, voafidy tao Vohipeno, no lany ho filohan'ny Vaomiera manokana misahana ny fiampangana manoloana ny Fitsarana Avo (HCJ), omaly teny amin'ny CCI Ivato.

HCJ Feno ny fepetra hiasany…

Hamaky ny tohiny...

Famerenana ireo nosy manodidina Tsy afa-manapaka irery ny filoha Macron

03/07/2020

Sarotra ny fandidiana momba ny famerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara amin’ny Malagasy rehefa alalinina ny lalampanorenana frantsay sy ny toeran’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, ao anatin’ilay toe-draharaha.

Famerenana ireo nosy manodidina Tsy afa-manapaka irery ny filoha Macron

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Fidèle Razara Pierre Lasa mampifanolana ny samy olon’ny Filoha

03/07/2020

Tsy atao fialokalofana ny maha olom-boafidy ary tsy natao hanafenana ny hadalana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka hitadiavana ny irika rehetra hamorehana ny fitondrana mahefa ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka,

Raharaha Fidèle Razara Pierre Lasa mampifanolana ny samy olon’ny Filoha

Hamaky ny tohiny...

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

02/07/2020

Mihanaka ny tsimok’aretina covid-19. Efa tonga eny anivon’ny biraom-panjakana sy ministera eny amin’izao fotoana izao.

Governemanta Minisit­ra vavy iray voatery mihiboka

Hamaky ny tohiny...

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

02/07/2020

Misy zavatra diso tsy mifanaraka amin’ny tantara, ka aleo hitsiana dieny mbola velona aho, hoy ny Amiraly izay nanazava zavatra maro tamin’ny fandarahana nataony tamina fahitalavitra iray omaly alina. Isan’izany ny nilazany fa tsy nanana olana tamin’ny Kolonely Ratsimandrava, ary efa izy no noresahina voalohany handray ny fahefana saingy nolaviny.

Amiraly Didier Ratsiraka Hanahirana ny marary hotsaboina any an-trano

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikambanana Olona Hasin’ny Tany Andao hampandeferina aloha ny hambom-po

19/03/2020

Nihaona tetsy amin’ny Hotely Le Pavé etsy Antaninarenina omaly 18 martsa ireo mpitarika sy mpikambana ao anatin’ny Fikambanana Olona Hasin’ny Tany na ny OHT tarihin-dry Dr Emile Ratefinanahary sy Dr Hery Raharisaina.

 

 

Fihaonana nifantoka tamina lafin-javatra telo, dia ny fifampiarahabana noho ny taona fahatrarana ny tana vaovao, ny faha-6 taona nijoroan’ny OHT izay nomarihina tamin’ny alalan’ny fanapahana mofo mamy; ary fahatelo ny fitondrana ny fomba fijery manoloana ny ady iraisan’ny firenentsika amin’izao tontolo izao dia ny Coronavirus. Mipetraka amina foto-kevitra lehibe ny OHT, dia ny hoe ny tombotsoa iombonana sy ny tombotsoan’ny firenena, fa eo ihany koa ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Marina fa maro ny olana samihafa na ara-tsosialy na ara-toekarena, ara-politika. Isan’ireny ny raharaha karapanondrom-pirenena miverin-droa, ny tsy fandriampahalemana, ny raharaha Ambohitrimanjaka,… Maro ny olana eto amin’ny tany sy ny firenena. Noho ny tombotsoam-pirenena sy ny ain’ny Malagasy anefa, dia tokony hampandeferina aloha ny ambo-po, ary izahay dia mankasitraka ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena hisian’ny fiaraha-mientana eto anatrehan’ny Coronavirus, hoy i Emile Ratefinanahary. Ampirimo ilay hambom-po, tombotsoa manokana, fomba amam-panaonao manokana fa andao hiara-hiady amin’io fahafavalo iombonana io isika. Nanapa-kevitra ny OHT, fa omaly no fotoana farany ho azy ireo nanaovana fivoriana mifanatri-maso sy mifankahita vantana noho ny zava-misy, ka ny teknolojia manomboka eto no hifampitana vaovao, mandra-pisian’ny toromarika vaovao.  Manentana ny fikambanana samihafa, ny fitondram-panjakana, ny olom-pirenena tsy ankanavaka mba tena ho mailo fa tsy rehefa hoe io fa misy marary vao mikoropaka, na efa voa mbola mankany amin’ny toerana fanatanjahantena tahaka ny nataon’ny Italianina sasany.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana