Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Coronavirus 23 no voa, 1 nanao krizy mafy

27/03/2020

88 no notiliana, nahitana olona 4 voaporofo fa mitondra ny tsimokaretina. 23 izany no voa hatramin’ny omaly, raha ny tatitry ny mpitondra tenin’ny CCO Covid 19 Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

Olona tao anatin’ny zotra farany tonga teto, avy any amin’ny firenena fantatra fa nisy ny coronavirus hatrany ireo olona vaovao voamarina fa voa irao. 3 lahy ary 1 vavy, ka ny roalahy voalohany dia nentin’ny sisin’ny Air France AF 934 tamin’ny 19 martsa, 72 taona sy 31 taona. Ny iray nentin’ny UU 611, lehilahy 25 taona tonga ny 18 martsa. Ilay vehivavy iray kosa 23 taona nandeha tamin’ny Ethiopian Airlines ET 3853. Arahi-maso akaiky izy ireo: ny hafanana, tosi-dra, ny oxygéne, henoina ihany koa ny fitarainan’izy ireo. Tsy misy ny aina nafoy. Ny 22 dia tsy misy sorit’aretina, tsy misy hitarainana, fanaviana, tsy sempotra,… Ny iray no marary mihitsy, ary afak’omaly dia tena sempotra be saingy avotra noho ny ezaky ny mpitsabo. Efa tsy dia sempotra be intsony izy ary efa nampiana oxygène, raha ny fanazavana. Mahazo fitsaboana avokoa, ka ny “protocol” dia ilay hita fa nahomby indrindra, izay fitambarana fanafody miisa roa no ampiharina, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

TONGA TALOHAN’NY 15 MARTSA

Mahakasika ireo fitaovana fitiliana na “testing kit” miisa 20 000 avy amin’ny Fondation Jack Ma avy any Chine, dia Mpianatra ho mpitsabo 5000 no hohetsehina. Hatao fitiliana ireo mpandeha tonga teo anelanelan’ny 15-19 martsa. Hatao ihany koa ireo teo anelanelan’ny 11-14 martsa aorian’izay. Ny tombony ho antsika, dia fantatra avokoa ny olona ahiana hitondra io Covid 19 io. Isika nosy, fa ny an’ny firenen-kafa dia misy sisin-tany ifangaroana amin’ny hafa. Ny olona voa eto, dia avy amin’ireo zotra avy any ivelany. Manana herijika kokoa hifehy ny tsy hiparithanan’ilay aretina isika.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana