Dans la męme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tsy misangy ny coronavirus Aoka samy hitandrina sy ho mailo

28/03/2020

Fa tena tsy azon'ny olona an-tsaina mihitsy ve ny maha zava-doza ny covid 19. Saika mifanaretsaka hatrany ny olona eny an-tsena sy eny an-dalambe.

 

 

 

Tahaka ny tsy ao anaty hamehana ara-pahasalamana izany ny firenena. Isan’ny nahatarafana izany ny teny amin’iny tsenan’Ambohidahy Ankadindramamy iny omaly maraina. Tena tsy afaka miafy mihitsy ve isika hoe: tsy mivoaka ny trano? Mila alamina ny fiainana fa tsy be mokon-koha hoe ka inona aza no hohaninay eo. Tsy mahafaty antsika, raha in-droa na indray mandeha ihany no misakafo iray andro fa misotro rano tsara fotsiny rehefa tena hoe miatrika ady tahaka izao misy areti-mandoza eto amin’ny firenena izao. Raha ny olona iray voa noho ny tsy fitandremana sy ny hamafisan-doha , dia azy ny azy fa ilay mamindra amina olona 1 na 2 na 3 no tena olana be. Tsy azon'ny olona an-tsaina mihitsy ilay izy. Ny antsika efa nilaza ny filoha fa afaka mandray marary 800 ny fotodrafitrasa vonona ao. Raha 1000 izany sanatria no voa dia hatao aiza ny 200? Raha mitombo io dia ahoana? Amin’izao izy mbola azo fehezina izao no tokony hitandrina mafy isika, fa ho loza amin’atambo raha ho tahaka ny any Eoropa 10 000 ny maty ary 80 000 any ho any no voa, izay ao amin’ny toeram-pamelomana aina ny 3000 mahery. Ny any Italie, Espagne, Frantsa,… dia efa tsy am-polony fa an-jatony maro isan’andro ny maty. Raha somary nilamin-tsaina isika teo aloha hoe: ireo olona tao anaty fiaramanidina avy tany an-dafin’ny riaka ihany no voa hatramin’izay, dia efa mampihoro-koditra ny fahafantarana, fa olona tsy nihetsika teto an-tanindrazana no efa misy lasibatra. Aoka samy hitandrina, fa tena efa eto amintsika ny loza, ka mila fehezina.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana