Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mialy Rabemanantsoa “Ndao hifanome tanana handresy ny fahavalo hiombonana”

30/03/2020

“Mbola ho mafy ny ady hiatrehana manomboka eto. Herinandro izay ny firenena no ao anatin'ny fihibohana amin` ny ampahany.

 

Tao koa no nahitana ny fiankarana tsikelikely ny isan' ireo olona mitondra ny valan'aretina Coronavirus” hoy Mialy Rabemanantsoa, mpahay lalàna no sady mpanao politika, raha nitondra ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny. Tsikaritra hatreto aloha fa mbola ho be ny ezaka ho ataon'ny fitondram-panjakana ahafahana misoroka ary indrindra mifehy ny Malagasy eto an-dRenivohitra. Be ny ahiahy, ny fitarainana, ny fifanomezan-tsiny tao anaty andro maromaro kanefa tokony ho samy tonga saina daholo fa tsy kilalao ny fiparitahan' ity aretina ity, hoy izy. Samy mahalala angamba fa Italia, Frantsa ary Etazonia no mizaka mafy ny vokan` io aretina io aorian` i Sina. Isika aty Afrika izao vao manomboka miatrika izany kanefa haingana dia haingana ny fizotrany amin'izao, hoy kity mpahay lalàna ity. Nohamafisiny fa ilaina ny mampahafantatra bebe kokoa an'ny Malagasy ny vokatr'izy io; ny zava-misy any ivelany sy eto an-toerana; ary indrindra ny mety zavatra hiseho eto amintsika raha sanatria miparitaka be ny Covid 19. Nambarany hatrany fa tsy misafidy sarangan` olona io ary ny fitandremana sy ny tsy fivoahana ny trano no fisorohana sy fiarovana voalohany. Hialana ny fivorivoriana etsy sy eroa, ary hajaina ny elanelana 1 metatra izay napetraka ho an'ny tsirairay avy . Ho mafy ho antsika raha miparitaka manerana ny nosy io aretina io ka ny toekarena no tsy hahazaka ny vokany indrindra raha haharitra volana maromaro vao voafehy izy io! Nanatitrantitra izy fa ilaina ny fiaraha-miasa fa tsy ny fanjakana irery no hiandrasana hanao ny zavatra rehetra. Manao antso avo amin` ny olom-pirenena I Mialy Rabemanantsoa mba handray andraikitra ny tandrify azy. “Tsy fotoanan'ny fisarahana intsony izao, fa mila miray hina , mila mitambatra ho fo iray. Ary hifanome tanana isika rehetra, hijoro ary hiady hatrany fa fahavalo iray no mila resena , ary tombotsoa iray no tsinjovina” hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana