Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Ady amin’ny Coronavirus Hisy fitiliana faobe eny Isotry, Ambondrona, Toamasina…

03/04/2020

Nanapa-kevitra ny Filoham-pirenena , rehefa avy nivory niaraka tamin'ireo tompon'andraikitry ny CCO Covid 19 fa, hidina eny amin'ny Fokontany nahitana “cas contact” na fifampikasohana rehetra ny borigady mpanao fitiliana.

 

 Ohatra amin’izany eny Isotry, Ambondrona, Toamasina,… hisy ny fanadiovana faobe arak'izany, hisy ny fizaham-pahasalamana faobe sy maimaim-poana, hijerena ireo soritr'aretina, hisy ny fanaovana TDR (Test de Diagnostique Rapide) ihany koa. Nanamafy an’io ny mpitondra tenin’ny CCO Covid19 Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle omaly hariva. Raha ny tatitra farany momba ny fitiliana natao tamin’ireo mpandeha rehetra nandritra ny 3 andro teny amin’ny CCI Ivato sy Jumbo Score Ankorondrano kosa, dia 703 no nanaovana fitiliana omaly, ka ny 1 ihany no “positif”. Nahatratra 3162 ny mpandeha rehetra vita fitiliana. 12 tamin’ireo izany no “positif” tamin’ny TDR, izay hamarinin’ny Institut Pateur de Madagascar (IPM) avy eo. Ny 6 mbola miandry fitiliana, raha toa ka ny 3 tamin’ireo 6 efa vita fanamarinana no voamarin’ny IPM fa “positif” tokoa ny valiny. Ny “cas contacts” izany no tena atahorana be eto amin’ny firenena satria naman’ny voafehy tanteraka ireo heverina fa hitondra ny “cas importés” avy any ivelany taorian’ny fahavitan’ny fitiliana an’ireo mpandeha rehetra, izay efa nahazo taratasy manamarika ny fahavitana ny “mise en quarantaine”, ary efa nody any amin’ny fianankaviany. Amin’ity zoma ity ihany dia efa hanomboka ny bemidina mitety faritra nahitana ny olona mitondra ny trimok’aretina COVID 19 ary atomboka ny fanadiovana sy ny fitsirihana.Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana sy ny fampanajana ny lamina napetraka raha araka ny fantatra ka tokony hanaraka tsara ny toromarika ny rehetra mba tsy hisian’ny olana satria tena tsy misangy amin’ity resaka ity ny fitondram-panjakana.

 

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana