Dans la męme rubrique

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

06/07/2020

Nampihorokon-koditra ny zava-nisy mikasika ny valanaretina coronavirus ny faran’ ny herinandro teo.

Faran’ny herinandro nampivarahontsana 6 maty, 418 tratry ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

06/07/2020

Olona miisa 300 isan’andro tamin’iny herinandro iny no tonga manatona teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka misy ny Centre Médical COVID 19 na ny CMC.

Centre Médical Covid 19 - Village Voara 300 isan’andro no tonga manatona eny

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

06/07/2020

Ireo mpandeha an-tongotra no hitan’ny mpitandro ny filaminana fa mafy loha manoloana ny ady amin’ny COVID 19 tanterahina eto amintsika.

Ady amin’ny COVID 19 Ireo mpandeha an-tongotra no tena mafy loha

Hamaky ny tohiny...

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

06/07/2020

Faritra mikatona sy mihiboka tanteraka Analamanga. Io no tapaky ny filan-kevitry ny minisitra ny sabotsy 4 jolay teo, notarihan'ny Filoha Andry Rajoelina tamin` ny alalan` ny “visioconference”,

Fifehezana ny Covid 19 Mihiboka tanteraka Analamanga

Hamaky ny tohiny...

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

06/07/2020

Mandaitra ny fiarovana amin’ny CVO. Ny nanomezan’ny olona tsiny ny fanjakana dia ny hoe maninona no nomena maimaimpoana ny any ivelany.

Lalatiana Andriatongarivo “Mandaitra ny CVO fa misy antony hafa matoa tsy avotra”

Hamaky ny tohiny...

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

06/07/2020

Misy ny paikady handraisana an-tànana ireo marary tsy misy soritr’aretina. Hapetraka ny “plateforme digitale”

Fitsaboana sy fandraisana an-tanana Hanana antontam-baovao matotra kokoa isika

Hamaky ny tohiny...

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

06/07/2020

Nandray fepetra maromaro ny ivon-toeram-pibaikoana na CCO Covid-19 Menabe manoloana ny tsy fahasalamana nahazo ny Filohan'ny Fiangonana Loterana Malagasy sady Filohan'ny FFKM izay nivahiny sy nitarika fivoriana tao Morondava ny herinandro lasa teo,

Morondava Mikatona avokoa ny fiangonana, mitsahatra ny zotra rejionaly

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Tambabelo Mandaso dit Marin Manohitra ny fampodiana an'ireo nihiboka taty Antananarivo

07/04/2020

Antsika rehetra i Madagasikara fa tsy anareo mpitondra fanjakana irery tsy akory, hoy Atoa Tambabelo Mandaso dit Marin filoham-boninahitry ny fikambanana TOKOBE TELO any Toliara tafaresaka an-telefaonina tamin'ny Tia Tanindrazana omaly.

 

 

 Tsy mba nakan-kevitra akory tamin'ireo fepetra noraisina amin'ny fanohizana ny "Fahamaizana ara-pahasalamana" eto Madagasikara ireo fikambanan-drazana toa an'ny Tokobe Telo misy anay. Ambarako etoana anefa, hoy izy, fa tsy mankasitraka velively ny fanapahan-kevitry ny fitondrana amin'ny hampodiana an'ireo olona efa nahavita fihiboana nandritra ny 15 andro taty Antananarivo aty amin'ny Faritra izahay ka hampitondraina aretina aty fa tokony ho tohanan'ny fitondrana sakafo izy ireo raha ny tena marina hiatrehan'izy ireo am-pitoniana ny 15 andro manaraka ao Antananarivo. Ambarako etoana, hoy Atoa Marin, fa tompon'andraikitra feno amin'ny fanapahan-kevitra noraisiny ny filohan'ny Repoblika raha misy maninona izahay aty amin'ny Faritra aty. Ambarako etoana koa fa manahirana be ny sakafo aty aminay aty atsimon'ny nosy aty aty ankehitriny noho ny fanarahana ny fepetra tsy maintsy raisina hiadiana amin'ny coronavirus izao.

Ntsoavina Evariste

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana