Dans la mme rubrique

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

22/09/2020

Mizotra any ammin` ny fifehezana ny valanaretina covid-19 isika araka ny nambaran` ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady lasa teo.

Ady amin’ny Coronavirus Tsy maharototra ny firy ny olona intsony

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

22/09/2020

Niampy roa indray ireo olona lavon’ny Covid 19, ka ny iray teto Analamanga ary ny iray hafa tany Diana, araka ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta.

Covid-19 nandritra ny 3 andro Ambony taham-pahafatesana

Hamaky ny tohiny...

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

22/09/2020

Razana miisa 2 no nivoaka tamin` ny hopitaly Ambatondrazaka vokatry ny valanaretina Covid 19 ny alahady lasa teo, hoy ny talem-paritra fahasalamana any Alaotra Mangoro.

Covid-19 Alaotra Mangoro Dimy no maty ny faran’ny herinandro teo

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

22/09/2020

Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany Rakotomahafadrahona Alphonse na Ramahafadrahona no ahalalan’ny maro azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto.

Tontolon’ny zava-kanto Nalevina omaly ihany i Ramahafadrahona

Hamaky ny tohiny...

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

15/09/2020

Niampy roa ny olona lavon’ny coronavirus, ka ny 01 teto Analamanga, ary ny 01 hafa tany Diana, raha ny tatitry ny Pr Vololontiana Hanta omaly.

Coronavirus 2 maty, 12 ny tranga vaovao

Hamaky ny tohiny...

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

15/09/2020

Miezaka hatrany ny polisim-pirenena manentana ny isam-batan’olona mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana ho fisorohana ny mety ho fihanaky ny valan’aretina Covid 19.

Tsy fanajana fepetra Olona 2.252 no nampanaovina asa iombonana

Hamaky ny tohiny...

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

15/09/2020

“Tokony hifanome tanana amin` izao vanim-potoanan` ny krizy ara-pahasalamana izao ary aorian` ny aretina vao tokony miresaka politika” hoy ireo mpanohana ny fitondrana .

Ady amin`ny Covid 19 Tokony hisokatra ho an`ny hery rehetra

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Fitiliana 100 mahery no vita Tsy nisy olona tratry ny coronavirus omaly

10/04/2020

Tsy nisy fiovana ny antontan’isa fa mijanona ho 93 ireo voa ho an’ny omaly, na nisy aza ny fitiliana 100 mahery vita teny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar na ny IPM,

 

hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 eny Ivato omaly. Tsy nisy fiovana ihany koa ny isan’ny olona sitrana izay mbola miandry ny fahafenoan’ny fepetra. 82 izany ankehitriny no mbola tazonina eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy. Mitovy tanteraka ny fomba fitsaboana ireo olona ireo na samihafa aza ny toerana misy azy ireo. Mitovy tanteraka ihany koa ny fahalalan’ireo mpitsabo manerana an’I Madagasikara. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mitsabo, mitohy ny ezaka, mitohy ny ady fa tsy hoe: misy sitrana ary tsy misy maty dia hilamindamina eo, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Mitohy hatrany ny ezaka, ary nitaona ny vahoaka hanaja an-tsakany sy an-davany ny fepetra ity Profesora ity. Nanentana ny olona hijanona hatrany ao an-trano. Mila aro-tava ho an’ireo olona tsy maintsy mivoaka, mila hajaina hatrany ilay elanelana 1 metatra, fanasana tànana matetika amin’ny rano sy savony, indrindra fa ho an’ireo mivoaka ny trano, tsy mifamihina, tsy mifanoroka,… Ireo mivoaka ny trano ahiana hamindra amin’ny ao an-trano. Mitohy ny ady fa tsy sanatria mijanona hatreo, hoy izy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana