Dans la męme rubrique

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

02/07/2020

Nahazo fahafahana avokoa ireo 11 mianadahy voarohirohy tamina famarotana CVO tao Bazary Be Toamasina. Efa nisy ny 4 naiditra am-ponja vonjimaika ny herinandro lasa teo. Sazy mihantona 3 volana,

Afera Covid organics Voaheloka handoa 24 tapitrisa ireo voapanga

Hamaky ny tohiny...

Sempotry ny covid-19 Iarivo 2 maty, tranga 88 iray andro

02/07/2020

Niampy roa vaovao ny matin’ny coronavirus teto Madagasikara, ka efa 22 ny fitambarany amin’izao fotoana izao. Niampy 89 ireo voa, ka ny 88 teto amin’ny faritra Antananarivo avokoa, 01 tany Vohipeno ao anatin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, faritanin’i Fianarantsoa. Mitotaly 2303 ireo trangana coronavirus hita teto Madagasikara hatrizay.

Sempotry ny covid-19 Iarivo 2 maty, tranga 88 iray andro

Hamaky ny tohiny...

Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo Nijoro vavolombelona fa voan’ny Covid-19

02/07/2020

« Nanapa- kevitra aho ny hijoro vavolombelona amin’ny maha mpiasan’ny fahasalamana ny tenako, koa mampahafantatra antsika aho fa nanao ny test Covid 19 ka testé positif.

Pr Mamy Lalatiana Andriamanarivo Nijoro vavolombelona fa voan’ny Covid-19

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antananarivo Mpiasa iray matin’ny coronavirus

02/07/2020

Nampahafantatra omaly ny ben’ny tananan’Antananarivo­, Naina Andriantsitohaina, fa mpiara-miasa iray amin’izy ireo ao amin’ny CUA no lavon’ny valan’aretiny Coronavirus.

Kaominina Antananarivo Mpiasa iray matin’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Mararin’ny COVID 19 etsy amin’ny CMC Haraha-maso akaiky ny fiasan’ny fanafodiny

02/07/2020

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny ivon-toerana ara-pahasalamana momba ny COVID 19 etsy Andohatapenaka. Amin’ny ankapobeny dia ahitana toerana natao hitiliana ireo ahiana na manahy ny tenany ho marary,

Mararin’ny COVID 19 etsy amin’ny CMC Haraha-maso akaiky ny fiasan’ny fanafodiny

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga Niakatra ho 7 ireo voan’ny coronavirus

02/07/2020

Misoko mangina toy ny ron-gisa, hoy ny fitenenana, ny fitombon’ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 ao an-tanànan’i Mahajanga

Mahajanga Niakatra ho 7 ireo voan’ny coronavirus

Hamaky ny tohiny...

Fiparitahan’ny Coronavirus Miverina indray ny fampihorohoron-tsain­a

02/07/2020

Tsikaritra omaly fa miverina mirongatra indray ny fampihorohoron-tsain­a anaty tambazotran-tseraser­a manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus.

Fiparitahan’ny Coronavirus Miverina indray ny fampihorohoron-tsain­a

Hamaky ny tohiny...


Covid 19

Mitombo isa ireo sitrana Tena mahay ny mpitsabo Malagasy

14/04/2020

Tsy nahitana tranga vaovao omaly, ka mijanona ho 106 ny olona mitondra ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Mpitondra tenin’ny CCO Covid-19 Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle.

 

 

Nisy iray sitrana kosa ny andron’ny paska, ka 21 izany no efa sitrana, ary 85 kosa no mbola manaraka fitsaboana. Tsy misy ny marary ahitana fahasoratana be ho an’ny omaly. Efa ho iray volana nisian'ny Covid 19 isika. Tsy misy maty na dia nisy efa nanao krizy be sempotra sy nampiasana “respirateur artificiel” aza teto Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa.Mahavita tsara ny asany ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy, “urgentiste” na dia eo ihany aza ny tsy fahampian'ny fitaovana. .Nanamafy ny filohan'ny fikambanan'ireo mpitsabo mpananpy ny faran'ny herinandro teo fa misy mpiasan'ny fahasalamana mitaraina hoe na ny fiarovana "masque" hanaovana aza tsy ampy ka ny eo ihany no averina hanaovana. Efa nisy mpiasan'ny fahasalamana voan'ny Covid-19.Hita amin'ny fomba firesak'ireo profesora sy dokotera eo amin'ny TVM fa mahay ry zareo na eo amin’ny fanazavana ara-teknika ny asa na ny serasera. Tsy kabary politika fa tena resaka teknika hamonjena ny ain'ny mpiray tanindrazana Etsy ankilan'izay mandeha ihany koa ny fikarohana ny fanafody, ary ny filoha aza moa dia efa sahy niteny fa eto Madagasikara ny akora mahasitrana ny Coronavirus. Antenaina fa ny mpikaroka sy mampahaizana Malagasy tokoa no hahazo ny fankasitrahana rahatrizay mivoaka amin'ny fomba ofisialy ny fisian'io fanafody io fa tsy sanatria ny vahiny no hidedaka fa mahavita azy.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana